Socio-eco

« AUTO ECOLE »: Tsy ampy ny foto-drafitr’asa


Sahirana mihitsy ireo toeram-pampianarana fiarakodia « Auto école » amin’ny tsy fahampian’ny foto-drafitr’asa. « Tsy mifanaraka amin’ny ampianarina ny zava-misy eny an-dalana. Ohatra amin’ny izany ny tsy fisian’ny ireo jiro telo soratra, ny tsy fahampian’ireo takelaka… rehefa manao fampiharana izahay. Eo ihany koa ny tsy fampian’ny fiampitan’ny mpandeha an-tongotra. Na misy aza dia tsy hajain’ny mpandeha an-tongotra akory izany. Izy ireo izay tafiditra amin’ny lalàn’ny fifamoivoizana », hoy ny talen’ny « Auto école  Jacky», Gérard  Jacky. Eto amin-tsika tsy misy mampiasa izy ireny fa miampita amin’izay tiany ny olona hany ka mety hiteraka loza. Misedra olana koa ireo maika ny hahazo ny taratasy fahazon-dalana hamily satria tsy mbola misy hatramin’ izao izany tao aorian’ireny olan’ny « Permis biométrique » ireny.

Lozam-pifamoivoizana

Maro ireo antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara. Ao ny miankina mivantana amin’ny mpamily, ny tsy fahampian’ny foto-drafitrasa, olana ara-teknikan’ny fiarakodia, ireo mampiasa ny lalana ankoatra ny fiarakoadia, ny toetr’ andro…Ny ankamaroany kosa anefa dia avy amin’ny hamamoana sy ny tsy fitandremana ary ny tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana. Noho izany tokony hamafisina ny lalàna ka saziana ireo tsy manara-dalàna rehetra, hoy ity talen’ny « Auto école » iray ity. Samy mandray ny andraikitra tandrify azy ny rehetra momban’ny fifamoivoizana.  Ampiharina sazy mavesatra ireo izay manao adisoana miverimberina sy matetika. Ankoatra izay, ny famoahana ilay lalàna vaovao nambara efa ela. Aiza ho aiza no tsy mbola nivoaka ihany ?

Nirina R.


One comment on “« AUTO ECOLE »: Tsy ampy ny foto-drafitr’asa

  1. Pingback: « AUTO ECOLE »: Tsy ampy ny foto-drafitr’asa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *