Socio-eco

ASA SOSIALY: Zava-dehibe ny fifandraisana amin’ny samy olombelona


Natokana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny asa sosialy (travail social) ny 19 martsa. Nanamarika io fankalazana io tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra ny sekoly ambaratonga ambony ISTS (Institut Supérieur de Travail Social), Mandrimena Andoharanofotsy omaly. Lohahevitra nosafidiana manerantany, ho an’ity taona 2019 ity ny “maha vesa-danja ny fifandraisan’ny samy olombelona”. Ny Jeneraly Ramakavelo Désiré no nasain’ny oniversite nambelabelatra izany. “Zava-dehibe ny fifehezana ny fifandraisana amin’ny samy olombelona raha ho an’ny mpiasa sosialy (travailleurs) manokana satria eny anivon’ny fiarahamonina izy ireo no tena miasa. Ao anatin’izany ny fanohanana ara-moraly, ny fanomezana tantsoroka eny amin’ny fiarahamonina…” , hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ISTS, Rambelomanana Landry. Nijoro vavolombelona ny lalana nosedrain’ny taorian’ny fianarany ny mpianatra iray navoakan’ny oniversite rehefa vita ny famelabelarana. Nofaranana tamin’ny lalao ara-panatanjahantena kosa ny fankalazana ka nifandrina tamin’izany ny mpianatry ny ISTS sy ny “Ecole Professionnelle Supérieure Agricole”.

Mahaliana

Niakatra ny tahan’ny tanora liana amin’ny asa sosialy ary ny vehivavy no tena betsaka, raha ny fanazavan-dRambelomanana Landry hatrany. Araka ny tarehimarika nomeny dia 70 ny mpianatra niditra ho taona voalohany tamin’ny taona 2015. Niakatra 140 kosa izany amin’izao fotoana izao ary lasa misy fidirana in-telo ny oniversite. Amin’ity volana martsa ity ny fidirana andiany faha-telo ary mbola misokatra ny fisoratana anarana. Mizara telo ny lalam-piofanana azo rantovina ao amin’ny ISTS: ny “assistant social” na olona iray manam-pahaizana manokana amin’ny fanaovana tantsoroka na fanohanana ara-moraly, ny “animateur de développement social” izay eny amin’ny tontolo ambanivohitra no tena hiasany toy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, miasa amin’ireo tetikasa fampivoarana (projet de développement) ary ny mpanabe voatokana (éducateur specialisé) izay manabe ireo olona voatokana toy ny olona tra-pahasembanana, ny fampidirana azy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *