Socio-eco

ANTSO FIARAHAMONINA KRISTIANINA (AFK): Hanangana andry fototra sivy ho fampandrosoana an’i Madagasikara


Ho fiarahamonina tsy mifanambany, tsy mifanapepo fa mifanohana sy mifampivelatra. “Manana fikasana miezinezina ho an’ny firenentsika Andriamanitra […] Hafany ny  voalohany hoe : mifankatiava, mifanomezan-tanana”, hoy ny filohan’ny AFK na Antso Fiarahamonina Kristianina, Andriamparany Ricky. Nandalina io vinan’Andriamanitra io sy vina ahatongavana amin’izany ny fikambanana. Vaorakitra ao anaty boky miisa fito (07) izany fandalinana izany ka nampahafantarina ny mpanao gazety nandritra ny dinidinika ambany tafon-trano, ny 13 janoary 2021 teny Ampandrana.

Antso

“Afaka atao ny manafoana ny tsy fisian’asa eto amin’ny firenentsika, tsy mihindram-bola any amin’ny mpamatsy vola na Ariary aza”, hoy i Andriamparany Ricky. Araka ny fanazavany  hatrany fa efa vonona ny “plateforme” ara-teknolojia   fa miandry ny olona hiditra any amin’ireo andry fototra sivy (09) izay mbola tsy tafajoro eto amintsika. Miantso ireo olona sahy hijory sy handray andraikitra hanangana ireo andry fototra ireo ny AFK. Ao anatin’ireo andry  fototra ireo ny centre de gestion (tsy ny olona rehetra no mahay fitantanana), ny centre d’integrité (mba tsy hifamitapitaka), ny centre des normes (mba hanaram-penitra ny zavatra atao), ny centre d’arbitrage et de  resolution de conflits ( amin’ny resaka fandraharahana io  be ny fetsifetsy dia io no handamina ny ady). Manaiky ho fehizin’ireo andry fototra ireo ny fandraharahana ka izay miditra ao dia tsy mifaninana fa mifanome tanana, mifampivelatra.

Marihina fa tsy fiangonana, tsy mpanao politika fa  olom-pirenena tsotra ny AFK  fa malahelo  fa milentika lalina ny firenena.  Niforona tamin’ny taona 2017 ny fikambanana. “Isika Malagasy mifanome tanana, ho tanteraka eto amintsika ny fiarahamonina tsy mifampitsetsitra, tsy mifanambany, fa mifanohana, mifampivelatra” no antony nitsanganany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *