politique

Antoko ADN: nidina ifotony Mitaky fitsapan-kevi-bahoaka


Samy tsy tafandry mandry amin’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ireo izay mihevitra fa manana adidy aman’andraikitra sy mitsinjo ny hoavin’ity firenena ity. Tsy an’ireo mihetsika ankehitriny irery i Madagasikara fa ny hevitra tera-bary, ho an’ny tombontsoa iombonana.

« Fitsapan-kevi-bahoaka eny ifotony (isam-pokontany) no takian’ny zava-misy ara-politika ankehitriny satria mila averina any amin’ny tompony ny fahefana mba hanolorany izay heveriny ho vahaolana maharitra amin’ny fanarenana ny firenena, ary vonona hitondra ny anjara biriky amin’izany izahay». Io no anisan’ny nambaran’Atoa Razafindravahy Edgard mpitarika ny antoko ADN (Antoka sy Dinan’ny Nosy), teny Soavina Atsimondrano.

Nambarany tamin’izany fa « tsy hitondra vahaolana maharitra, ka hiantoka ny amin’ny tsy fiverenan’ny krizy politika eto Madagasikara intsony ny zotra fitadiavana marimaritra iraisana na fifanarahana eo amin’ireo mpifanandrina politika nihavian’izao savorovoro sy fikorontan’ny fiainam-bahoaka an-tapitrisany eto amin’ny firenena izao ». Nohamafisiny fa « tsy raharaha vitan’ireo mpifanandrina politika ankehitriny sy ny mpomba azy ireo irery intsony ny fametrahana ny lamina politika hahasoa ny Tanindrazana ».

Ny fitsapan-kevi-bahoaka eny ifotony io, hoy izy, no hisantatra ny Fanorenana Politika eto Madagasikara, ary fifidianana tsy maintsy hokarakarain’izay rafitra tsy mitanila, mialohan’ny fanatanterahana an’ireo fifidianana hafa izany”.

Efa nitety faritra maro teto Madagasikara ity filoha mpitarika ny AND ity ka nahatsapany fa reha “apetraka ho toy ny tompon-draharaha amin’ny faritra misy azy avy ny mponina isam-paritra dia tsy hahatsiaro tena ho voahilika intsony ka handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana. Izay no hitakiana fitsapan-kevi-bahoaka marina hampitony maharitra ny firenena, satria azo antoka ny tsy hampiraviravy tànana azy sy tsy ho tongom-baton’ny mpanao politika izay efa fantatra ny zava-bitany teto intsony.  Harena ny fahasamihafana. Hery mampivoatra firenena izany fa tsy fahalemena sanatria !

Nanangona : Gérard RAKOTONIRINA


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *