politique

Analakely : Lasa tanàna haolo


Nipoaka ny « gaz à lacrymogène » tetsy Analakely 30 minitra lasa izay. Lasa tanàna haolo noho izany ilay toerana be olona mivezivezy sy anjakan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Mihidy avokoa ny mpivarotra, tsy misy fiara mandeha anisan’izany ny taxi-be.  Raha mbola nifampiresaka tamin’ny mpitandro filaminana ny mpitarika ny hetsika sady niantso ny Prefet kanefa tsy nandeha ny findainy dia tafiditra tao amin’ny « parvis » Analakely ny vahoaka. Simba ny fefy nidiran’izy ireo. Nanomboka nandefa ny baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Miisa 20 eo ho eo ny nalefan’izy ireo amin’izany. Ankehitriny, lasa miandriandry eny amin’ny manodidiana an’Analakely ny vahoaka. Marihana fa mbola ao amin’ny lapan’ny tanana ireo mpitarika toa an’i Solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, James Ratsima…Milamina kosa anefa ireo vahoaka satria tsy mitoraka ireo mpitandro filaminana na eo aza izany fandefasan’izy ireo ny entona manepotra sy mampitomany.

Nirina R./Ony Rambelo


One comment on “Analakely : Lasa tanàna haolo

  1. Pingback: Analakely : Lasa tanàna haolo - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *