Sport

AMBATOVY : Nahomby ny andrana fampitomboana ny sahona Mantella aurantiaca


Velona tsara tao amin’ny toeram-ponenany vaovao tsy voajanahary (terrarium) niompiana azy sady afaka nitombo isa tsara ireo sahona Mantella aurantiaca  miisa 162 nafindra ny taona 2012. Ireto sahona ireto dia tao amin’ny  faritry ny toeram-pitrandrahan’Ambatovy ka nafindra teny amin’ny toby Sahona ao Andasibe. Fiaraha-miasa teo amin’ny Ambatovy sy ny fikambanana Mitsinjo ity fandaharan’asa fampitomboana taranaka io karazana sahona io. Nivoitra izany tamin’ny  atrikasa namelabelarana ny vokatra azo nandritra ny andrana voalohany ity teo anatrehan’ny tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny zoma 4 ôktôbra 2019 tao Andasibe. Noho izany dia vita ny namerina sahona 1 500 mahery tany amin’ny toeram-ponenany voajanahary araka ireo fenitra famindran-toeran’ny  biby narafitry ny UICN (Union Internationale pour la Conservation de la Nature).  Mbola vonona ny hanohy hatrany ny fandaharan’asa ny orinasa Ambatovy . Ity karazan-tsahona Mantella aurantiaca ity raha teo tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ihany no sady atahorana ho lany tamingana. Noho izany dia hotohizan’Ambatovy amin’ny telo na dimy taona manaraka ny fandaharan’asa. Miasa ao anaty faritra manan-karena eo amin’ny lafiny zavamanan’aina Ambatovy rehefa maka ny akora ao amin’ny toeram-pitrandrahany ao Moramanga. Noho izany, nametraka fandaharan’asa fitantanana ny tontolo iainana izay manaraka ny lamina isan’ambaratongany amin’ny fanalefahana ny fiantraikan’ny asany amin’ny tontolo iainana (fisorohana, fampihenana araka izay tratra, famerenana amin’ny laoniny ary fanonerana) ny orinasa.

AMBATOVY - FANOLORANA LOKAAnkoatra izany, amin’ny lafiny fanatanjahan-tena dia manohana ny fampivelarana ny maha izy azy ny tanora ny orinasa amin’ny alalan’ny baolina kitra.  Nisy ny fanohanana nataon’izy ireo tamin’ny fifaninana baolina kitra andraisan’ireo tanora avy amin’ny kaominina Ambanivohitra dimy Ambohibary, Andasibe, Ambatovola, Beforona ary Morarano Gara sy ekipan’Ambatovy iray nanomboka ny taona 2017. Tamin’ny andiany 2019 ity dia resin’ny solontenan’i Morarano Gara tamin’ny isa 1 no 0 ny ekipan’Andasibe nandritra ny lalao famaranana natao ny 6 ôktôbra 2019 lasa teo. Omby, kojakoja, ary ny amboara no azon’ny mpandresy izay natolotr’Ambatovy. Nahazo baolina sy fanamiana avy amin’ny orinasa kosa ireo ekipa rehetra nandray anjara.

 Isan’ireo tanjon’ity fifaninanana izay nomena ny anarana hoe « Tretrika » ity izay efa tody eo amin’ny andiany fahadimy ankehitriny  ny hanampiana ny tanora hanana toe-tsaina tia miara-miasa amin’ny hafa, manaja ny fitsipika misy, hanao tsaratsara kokoa noho ny teo aloha, amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahantena. Hanampy betsaka azy ireo hampivoatra ny maha izy azy izany ka hahatonga azy ho tomponandraikitra amin’ny ataony mba ho mpitarika sy mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny kaominina misy azy. Tanora lahy sy vavy manodidina ny 500 no nandray anjara tamin’ity hetsika fanatanjahantena ity hatramin’ny niforonany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *