Manohy hatrany ny fanampiana ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanam-behivavy ao anatin’ny faritra iasany Ambatovy, ho fandraisany anjara amin’ny fampizakantena azy ireo sy fanatsarana ny faripiainany. Nomen’Ambatovy kojakoja ilaina an-dakozia ampiasaina amin’ny fanamboarana voankazo nahandroina sy henam-borona milona, izay isan’ireo fidiram-bolan’ny mpikambana ao aminy, ny fikambanam-behivavy Kanto, ao Ambavaniasy, Kaominina ambanivohitra Ambatovola, ao Moramanga ny 4nôvambra 2021. Nahitana vilany, sotro sy sotrobe tsy mety arefesina, koveta, « moulin professionnel » iray, « mixeur » iray ary kesika vita amin’ny plastika
maromaro ity fanomezana ity.
Fikambanam-behivavy iray hafa, ao Torotorofotsy Menalamba, Kaominina ambanivohitra Andasibe, no notoloran’Ambatovy milina fanjairana efatra, ny 20 ôktôbra 2021. Sady ahodin-tanana no mety alefa
amin’ny herinaratra ireo milina ireo ary hanampy azy ireo hanatsara ny vokatra asa tanana vokarin’ny mpikambana ary amidy eo amin’ny tsena anatiny.