Socio-eco

AGRISUD INTERNATIONAL: Azo atao ny mamerina ny tsiron’ny tany.


Fianakaviana 5100 ao amin’ny faritra Itasy mampiasa ny teknika famerenana indray ny tsiron’ny tany. Vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana, tsy mamokatra firy intsony ny tany. Hany ka mihena ny vokatra miakatra. Ho fanampiana ireo tantsaha mpamboly, nitohy ny tetikasa MAHAVOTRA ( MAmboly HAzo sy VOankazo ho antoky ny Tontolo RAhampitso ) izay iantsorohan’ny “Agrisud International”. “Miditra amin’ny tetikasa Mahavotra faharoa isika izao. Nanomboka ny volana may 2016 izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny tapaky taona 2019. Kaominina 15 ao amin’ny faritra Itasy no misitraka ity tetikasa ity”, hoy ny mpandrindra ny “Agrisud International ”, Andriamirajo Ramarofidy.
“Mamboly hazo sy voankazo ho antoky ny tontolo rahampitso”. Mifototra amin’ny fampiasana ny “agro-écologie” na ny fambolena zava-maniry sy hazo toy ny mucuna, ny acacias…izay mamerina sy mitazona ny tsiron’ny tany ny tetikasa Mahavotra II. 530 eo no isan’ny “maître exploitant” nofanin’ny tetikasa Mahavotra nanomboka ny taona 2011. Manaparitaka ny teknika fambolena maharitra amin’ireo tantsaha mpamboly mpahazo tombontsoa no asan’izy ireo. “Miainga any amin’ny fototry ny fambolena maharitra ny fomba fiasa. Anisan’izany ny fampianarana ny mpamboly hahay hamokatra zezika “compost” mba hitazomana ny tsiron’ny tany . Eo ihany koa ny fambolena zava-maniry mitazona ny tsiron’ny tany miaraka amin’ny voly. Tanjon’ny tetikasa ihany koa ny fambolena hazo haingam-pitombo toy ny acacias. “Azo atao kitay tsara izy io no mamelona ny tany”.
Tsy ampy ho an’ny tantsaha intsony ny tanimbary sy tanimboly eny an-tsaha. Ny tanety anefa malalaka saingy ngazana tsy mety mamokatra. Ny fampiasana ny teknika “agro-écologie” no fomba hamerenana ny tsiron’ny tany indray. Mandra-pahatapitry ny tetikasa Mahavotra II, tanety manodidina ny 150 ha eo no tokony ho hajariana ka ho volena hazo ala, 150 ha ho an’ny hazo fihinam-boa sy ala vadim-boly. Ho toroana hevitra amin’ny fomba fambolena vary, katsaka, voanjo amin’ny tany misolampy ihany koa ireo tantsaha.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *