Socio-eco

4 G ORANGE: Hanatsara ny toe-karena ao Toliara sy Ihosy


Nitohy tany Toliara sy Ihosy ny fanapariahana ny “réseau 4 G” an’ny Orange. Mampiodina ny sehatra ara-toekarena ao amin’ireo toerana ireo ny indostria, ny fiompiana, ny fambolena, fizahan-tany. Hanatsara ny kalitaon’ny asan’ny mpandraharaha any an-toerana ny fahatongavan’ny 4 G an’ny Orange. Ny 27 aprily 2018 no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fametrahana ny 4 G tany Toliary. Ny 28 aprily 2018 kosa ny tao Ihosy. Nanatrika ny lanonana ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Michel Degland, ny Ministry ny paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra, André Neypatraiky Rakotomamonjy, ny Ministry ny harena anaty rano sy ny jono, François Gilbert. Tonga namaly ny fanasana ihany koa ireo manam-pahefana mpandraharaha ara-toekarena ao an-toerana. Manana tombony kokoa ireo mpandraharaha amin’ny fampiasana ny “réseau 4 G” an’ny Orange. Hampivoatra ny toe-karena ny fampiasana ny tontolon’ny nomerika eo amin’ny sehatry ny asa. Anisan’izany ny fihitaran’ny fifandraisana amin’ny any ivelany.

Ankoatra izany, notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 26 aprily 2018 ny “maison digitale pour les femmes” ao Toliara. Ivon-toerana faha- 18 notohanan’ny fikambanana Orange Solidarité izy ity. Hampiofana ny vehivavy momba ireo fitaovana nomerika sy ireo rindram-baiko fampiasa amin’ny fitantanana ny ivon-toerana.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *