Edito

20.000 Ariary : Hiteraka fikorontanana eny amin’ny fiaraha-monina.


Nivoaka omaly ny vola vaovao natontan’ny fitondrana. Manahirana ny ankapoben’ny Malagasy ny mampiasa io vola  20.000 ariary mitambatra io. Efa betsaka ireo mpivarotra tsy handray azy io izay manisy soratra fandavana. Mety hiteraka fifamaliana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpividy mihitsy  izany. Anisan’izany ny tsy fandraisan’ny mpanampy ny mpamily noho ny tsy fananan’izy ireo madinika. Ahoana tokoa no handraisan’nympivarotra anana azy  ioraha 500 Ariary fotsiny ny hovidiany ? Ny vola 10.000 Ariary aza sahirana rehefa mamerim-bola nympivarotra. Efa miasa io vola io ka anjaran’ny tsirairay ny am-piasa na tsia.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *