Socio-eco

TETIKASA MANONDROALA II: Mitohy ny famerenana ny ala amin’ny laoniny


Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny seminera ny fanombohana ny tetikasa Manondroala II. Ny 8 mey 2019 teo no nanatanterahina izany teny amin’ny DLC Anosy. Ny fikambanana Finnish Association for Nature Conservation (FANC) sy ny mpiara-miasa aminy, fikambanana tsy miankina Transparent World any Russie no misahana ny tetikasa mandritra ny efa-taona. Ny fanamafisana ny fiarahamiasa eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana momba ny fiarovana ny ala eto Madagasikara ny zava-kendren’ny seminera, hoy ny mpandrindra nasionaly ny FANC, Tarimy Angela. Ny taona 2012 no nanomboka ny Manondroala I ary nifarana tamin’ny taona 2017. Nifantoka manokana tamin’ny ala Atsinanana (ala mando ) ny tetikasa tamin’izany. Amin’ity tetikasa manaraka ity kosa dia hifantoka amin’ny karazana ala hafa ankoatra ny ala mando toy ny ala honko (mangrove), ny ala maina (forêt sèche). Ankoatra izany dia manome fitaovana ahafahan’ny mpisehatra mitantana ny ala ny fikambanana. Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Manondroala II ihany koa ny fanarenana ny ala amin’ny alalan’ny fambolen-kazo sy ny famerenana aza ho toy ny taloha.

Niasa teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2011 ny tetikasa Manondroala izay misehatra amin’ny taotsarintany manara-maso ny fahasimban’ny ala. “Efa betsaka ny taotsarintany vita fa matetika izy ireny mijery fandripahana ala. Fa izahay ato amin’ny Manondroala kosa miezaka ny mandrefy sy mijery ny fivoaran’ny fahasimban’ny ala eto Madagasikara”. Raha fantatra dia entina hanapahana hevitra eny ifotony na ara-nasionaly ny tokony atao sy hanatsarana ny fomba fitantanana ireo taotsarintany ireo. Niezaka nijery ny fomba tsotra nefa mahomby ahafahana mandrefy ny fahasimban’ny ala ihany koa ny tetikasa andiany voalohany ary niezaka nampiasa ny voambolana amin’ny teny malagasy ampiasiana ireo vondron’olona eny ifotony (VOI) mba ho mora aman’izy ireo ny mitantana ny ala sy mahafantatra ny ny sokajy ny fahasimban’ny kalitaon’ny ala.
Manana vina ny hampifandray ireo mpisehatra amin’ny resaka ny fambolen-kazo mba hifampizara traikefa entina hampihenana ny sandan’ny fanarenana ny ala sy hanatsarana bebe kokoa ny fomba fiasa ny tetikasa Manondroala II.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *