Sport

TALENTA SCHOOL AMPAHIMANGA: Atao lavanty ireo fanamiana avy amin’ireo mpilalao baolina kitra malaza


Hanohanana ireo ankizy mpilalao baolina kitra eny ambanivohitra ny vola voaangona. Ampahafantarina  mandritra ny  hetsika atao ny 29 febroary 2020 amin’ny 07 ora hariva, ao amin’ny  Kudeta Anosy ny tetikasa Talenta School Ampahimanga. Araka ny fanazavan’ny filoha misahana ny tetikasa, Rajaonesa Miora, nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny 27 febroary 2020 fa niforona ny 25 aogositra 2018 ny tetikasa ary miompana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny baolina kitra.  Sehatra efatra no iasan’ny tetikasa: baolina kitra, fanabeazana, ny tontolo iainana ary ny sosialy ka ireo ankizy no misitraka izany. Ankoatra famolavolana ireo ankizy amin’ny taranja baolina kitra dia mahazo fanohanana amin’ny lafiny fanabeazana, sosialy ihany koa izy ireo.   Nambaran’ny tale ara-teknikan’ny Talenta School sady mpilalao baolina kitra tao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy teo aloha Benera Adolphe na  Dodol fa tokony hampiana ihany koa ny ankizy any ambanivohitra fa tsy eto an-drenivohitra ihany.  Nilaza ity mpanazatra ity fa miantoka ny fivelaran’ireo ankizy ny fanabeazana sy ny fampianarana satria na dia mahay baolina be aza nefa tsy ampy ny fanabeazana sy ny fari-pahaizana dia ho voafetra ihany ny fivelarana.

Ny kaominina ambanivohitra Ampahimanga, distrikan’i Arivomamo no nanombohana ity tetikasa andrana ity ary mbola hiitatra any amin’ny toeran-kafa. Tao anatin’izay herintaona sy tapany izay dia ankizy lahy sy vavy  97 no misitraka izany. Ho fanamafisana ny fanohanana azy ireo indrindra dia ho atao lavanty, mandritra ny hetsika ho tanterahina ny sabotsy izao, ireo fanamiana sy baolina ary crampon avy amin’ireo mpilalao malaza, teratany malagasy sy vahiny toa an’i Dodol, Thomas Fontaine (mpilalao Barea),  Mattéo Gendouzi (ekipam-pirenena frantsay), Jeremiah Ebobis (MLS Etats-Unis)… Entina hanohanana azy ireo amin’ny fianarany ny vola voaangona amin’izany. Nohamafisin’ny tomponandraikitra fa  ho fitadiavana ray aman-dreny mpiahy, ohatra hanohana azy ireo ara-tsakafo, amin’ny fianarana ihany koa ity hetsika ity. Hanafana ny lanonana i Dodol amin’ny maha mpanakanto azy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *