Socio-eco

STARTIMES: Mampihena ny fandaniana ao an-tokantrano


Mahatsapa ny orinasa Startimes fa mandalo  vanim-potoana sarotra ny mpanjifa rehetra faran’ny volana noho ny fandoavana ny saram-pianaran’ny ankizy, ny hofan-trano, ny vidin-jiro sy rano sy ny maro hafa. Manoloana izany indrindra no antony namoronana ny tetikasa « kitapom-batsy ». Entina hanamaivanana ny fandaniana ao an-tokantrano mba ahafahan’ny mpanjifan’ny Startimes misitraka hatrany ny televiziona nomerika izy ity, hoy ny tale ara-barotra Ralai Aina. Loka maro no nozaraina ho an’ireo mpanjifa tsy nanao “réabonnement” Startimes intsony tao anatin’ny telovolana ka niverina nanao izany indray tamin’ny volana martsa.  Nozaraina androany 5 aprily 2019 teny amin’ny foiben’ny orinasa ny lokan’ireo mpanjifa 50 voalohany niverina nanao « ré-abonnement ». Ny 10 tamin’izy ireo nahazo vary iray gony sy menaka roa litatra avy. Ny 20 kosa nomena vary dimy kilao sy menaka iray ary ny ambiny menatra roa litatra. Ao anatin’ny pejy facebook ny lisitr’ireo mpandresy ka miantso ireo mbola tsy tonga naka ny lokany.

Manolotra ny tsara indrindra hatrany ho an’ny mpanjifany ny Startimes. Amin’ity volana aprily ity dia ho hita ao amin’ny chaîne Novela F plus ny tantara mitohy mitondra ny lohateny hoe: “the hypochondriac”. Ny startimes ihany no mandeha azy io. Tsy miova ny saran’ny “bouquet” fa mijanona ho 60.000 Ariary sy 40.000 Ariary.

Nirina R.


One comment on “STARTIMES: Mampihena ny fandaniana ao an-tokantrano

  1. Pingback: STARTIMES: Mampihena ny fandaniana ao an-tokantrano - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *