Socio-eco

STAR sy ny Consulat de Monaco : Manavao fiaraha-miasa


Ny taona 2015 no efa niara-niasa ny Star sy ny consulat de Monaco eto Madagasikara, izay manohana ireo ankizy sahirana maro ahafahana mandrato fianarana.

 Araka ny fanambaran’ny UNICEF dia 10% amin’ireo zaza 2 tapitrisa, telo hatramin’ny enin-taona, eto Madagasikara no tafiditra kilasy famolavolana ho an’ny daholobe. 75% ireo ankizy tafiditra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra ary ny telo amin’ireo folo ihany no tonga eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Raha ny antontanisa navokan’ny INSTAT kosa ny taona 2016 dia 1,7% tamin’ny mpianatra Malagasy no nahatratra ny ambaratonga ambony. 27,6% tamin’ny ambaratonga faharoa, ary 48,6% tamin’ny ambaratonga fototra, 21,1% dia tsy afaka nandia ny ambaratonga fototra akory.

Ny fialàna an-daharan’ny ankizy amin’ny fianarana dia noho ny tsy fahampian’ny loharano ara-bola ao amin’ny tokatrano.

Noho ireo zava-mitranga ireo dia nandray anjara ny Star sy ny Consulat de Monaco eto Madagasikara ka handray an-tanana ny saram-pisoratan’anarana sy ny saram-pianaran’ny mpianatra kilasy faharoa hatramin’ny kilasy fahamarananan amina sekoly telo tsy miankina mamiratra eto an-dRenivohitra dia ny collège saint Michel, lycée Saint- Antoine ary ny ESCA.

Tanora avy amin’ny fianakaviana manana toe-piainana sarotra no misitraka ny tetik’asa. Fianakaviana tokana kamboty reny sy ray, nilaozan-dray na reny, ray aman-dReny tsy manana anton’asa raikitra, tsy an’asa iankinan’ny isan-jaza maro.

 Miora Razafindramanitra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *