Socio-eco

PASK’AMPEFY: Hetsika telo sosona no hitranga ny 20, 21, 22 aprily


Toerana mahasarika mpitsangatsangana be indrindra ny kaominina Ampefy isaky ny fetin’ny Paka na Paska noho ny fisian’ireo toerana azo tsidihana toy ny « chute de la Lily », « Gyesers »  ary ny « ilôt de la Vierge ». Hiavaka izany amin’ity taona ity satria mikarakara hetsika Pask’Ampefy any an-toerana ny Media Consulting ny 20, 21 ary 22 aprily 2019. Hetsika ara-toekarena, ara-koltoraly ary ara-panatanjahantena no hitranga ny mandritra ny telo andro. Hira gasy hifandonan’ny mpanao hira gasy kalaza  Razafindramanga Berthine (Ambohimanjaka) sy Raveloson Jean Ba (Arivomamo) sy Cabaret iarahana amin’ny mpanankanto Luk, Inah ary Mahery ny fandaharam-potoana ny sabotsy 20 aprily 2019. Alahady 21 aprily indray dia fampisehoana iarahana amin’ny Team Safelika. Amin’io fotoana io no fisokafan’ny fisoratana anarana ho an’ireo te handray anjara amin’ny fifaninanana hazakazaka am-bisikileta sy ny tsipy kanetibe, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny hetsika ao amin’ny Media Consulting, Rabevonjy Onjatiana. Nambaran’ny tale ara-barotra, Andriamasinoro Bodo fa enina kilometatra mandroso sy miverina ny halaviran-dalana ho an’ny hazakazaka am-bisikileta. 10.000 Ariary ny saran’ny fandraisana anjara ho an’ny olon-tsotra ary 20.000 Ariary ho an’ireo matihanina Lalaovin’olon-droa kosa ny tsipy kanetibe ary 50.000 Ariary ny fandraisana anjara. Loka maro ho zaraina ho an’ireo mpandresy, hoy ny mpikarakara.  Ankoatra izany  dia hanafana ny alatsinainy ny Paka na Paska ao Ampefy ny mpanakanto Taa Tense sy Odyai. Tsy adino ny ankizy rehefa vanim-potoana ny fety tahaka itony satria dia hisy toeram-pilalaovana ho azy ireo. Hisy ihany koa trano heva natokana ho fivarotana ireo vokatra mampiavaka an’Ampefy sy ny manodidina, sakafo isan-karazany… Nanamafy ny mpikarakara nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 10 aprily 2019 fa azo antoka ny fandriam-pahalemana mandritra Pask’Ampefy.

Lynda A.


One comment on “PASK’AMPEFY: Hetsika telo sosona no hitranga ny 20, 21, 22 aprily

  1. Pingback: PASK’AMPEFY: Hetsika telo sosona no hitranga ny 20, 21, 22 aprily - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *