Socio-eco

ORANGE SOLIDARITÉ MADAGASCAR: Nandany 10 miliara Ariary ho an’ny asa sosialy


Nanatanteraka iraka teto Madagasikara ny  delegasionan’ny Fondation Orange izay notarihin’i François Cosson, ny 25 febroary ka hatramin’ny 1 martsa 2019. Nandritra ny herinandro nivahinian’izy ireo no nanaovana ny jery todika ny asan’ny vitan’ny Orange Solidarité, teo ambany fanohanan’ny  Fondation Orange. Ratsa-mangaika iray ao amin’ny orinasa momba ny fifandraisan-davitra Orange mandray an-tànana ny asa sosialy ny Fondation Orange. Ny Orange Solidarité kosa no misahana ny andraikitry ny Fondation Orange eto Madagasikara ary mankalaza ny 12 taonany nijoroany izy ankehitriny, araka ny fanazavan’ny filohany, Josie Randriambeloma.

Mandray anjara amin’ny fanampiana ny mpiara-belona mba ahafahany mandroso mitovy amin’ny hafa ny Fondation Orange, hoy i François Cosson. Ao anatin’ny tetikasa iantsorohan’ny Fondation ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny nomerika amin’ny lafiny fanabeazana, fahasalamana, kolontsaina. Nomarihiny fa miara-miasa akaiky amin’ireo fikambanana na mpiantsehatra eo an-toerana, mpisitraka mivantana ny tetikasa ny Fondation.

Zava-bita

Raha tanisaina ny zava-bitan’ny Fondation tao anatin’izay 30 taona izay sy ny asa mivaingana nataon’ny Orange Solidarité dia tahaka izao: sekoly nomerika  miisa 717 no vita manerana ny firenana 14, ny 97 amn’ireo eto Madagasikara, Village Orange izay ahitana rano fisotro madio, toeram-pitsaboana miisa 75 manerana ny firenena 11 no namboarina ka ny 22 amin’ireo eto amintsika, maison digitale entina hanampiana ireo vehivavy 20.000 isa, hahay hamaky teny sy manoratra, hifehy ny teknolojia(fikirakirana ny rindram-baiko momba ny fitantanana sy ny maro hafa) mba ahafahan’izy ireo hahaleo tena ara-bola miisa  22 no natsangana teto an-toerana, centre maman kangourou entina hanampiana ireo zaza teraka tsy tonga volana faha-11 no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro lasa teo tany Nosy-Be ary fablab 88 ho an’ny tanora manana tetikasa no namboarina manerana ny firenena 16. Nambaran’i Josie Randriambeloma fa tao anatin’izay 12 taona nisiany ny Orange Solidarité Madagascar izay dia 10 miliara Ariary no nampiasaina tamin’ireo tetikasa ireo. Vina ho an’ity taona 2019 ity ny fanamboarana sekoly  nomerika vaovao miisa 126, maison digitale 26 isa, village orange 24 ary fablab iray.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *