politique

NY RADO RAFALIMANANA: Hiara-hiasa amin’i Marc Ravalomanana


“Noho ny fahitanay ny fomba fijery tsy dia mifanalavitra no nametrahanay ao amin’ny Ny Fanahy maha-olona  ny fiarahamiasa amin’Andriamatoa Marc Ravalomanana ka ho mpirahalahy mianala”, araka ny fanambaran’ny birao nasionaly Ny Fanahy maha-olona ny 3 desambra 2018. Noho izany, nanapa-kevitra ny fikambanana Ny Fanahy maha-olona izay tarihin’i Ny Rado Rafalimanana fa hanohana an’i Marc Ravalomanana. Nohamafisin’ny fikambanana fa ny vatoeka na ny vaomieran’ny toe-karena dia azo atao fototry ny Madagasikara Am-Perin’asa MAP II sady fanoitra ho entina manatanteraka ny fandaharan’asa rehetra.

Manoloana izany, manentana ny mpifidy ny fikambanana hanefa ny adidiny amin’ny fifidianana fihodinana faharoa ny 19 desambra 2018. “Miantso ny vahoaka hanara-maso ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany  ary handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena.  Ny hoavin’ny taranaka faramandimby sy ny firenena iray manontolo no aoka ho jerena”, hoy ny birao nasionaly Ny Fanahy maha-olona. Ankoatra izany, miantso ny vaomiera  mahaleotena mikarakara ny fifidianana hanatsara ny fomba fiasa amin’ny fihodinana faharoa Ny Fanahy maha-olona.

Lynda A.


One comment on “NY RADO RAFALIMANANA: Hiara-hiasa amin’i Marc Ravalomanana

  1. Pingback: NY RADO RAFALIMANANA: Hiara-hiasa amin’i Marc Ravalomanana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *