Evenement

MOMOTA TAO ANTSAHAMANITRA : MAHALIANA NY ANKIZY HATRANY NY HETSIKA


Dongidongy sy hantahanta isan-karazany ny an’ireo ankizy vao nahalala fa hanao « zavatra » etsy Antsahamanitra ilay Momota be. Nisy dia nahavatra niova toetra vetivety teo satria notambazan’ny ray aman-drenininy fa raha tsy mianatra tsara sy tsy manao raharaha dia tsy mahazo mijery Momota. Dia raikitra ny fotoana tamin’ity tolakandron’ny Sabotsy 06 Novambra 2021 ity ka dia rakotra zaza sy ankizy ary olon-dehibe manala adidy, tonga nijery Momota. EFa taona roa latsaka kely izao no tsy tazana intsony Momota ka dia samy nangetaheta zava-mahaliana ny rehetra.
Mafana dia mafana ny andro, ary mbola nafana lavitra noho izany ny hafanan’ny lanonana teny an-toerana satria dia nalai-nisaraka ny rehetra… ny ankizy rehetra ihany koa dia naman’i Momota tamin’ireo hira efa nahazatra hatramin’izay… Miampy sirika sy mazia ary dihy voarindra isan-karazany.
Ny mpikarakara dia nilaza nazava fa afa-po tamin’ity hetsika ity ary ho entina hitety faritra maro eto amin’ny Nosy ny fampisehoana. Enga anie ka tsy hamely mafy antsika intsony ny valan’areina hoy izy ireo fa iny ihany no tena sakana tsy nahafahana nihetsika hatramin’izay.
Niaraka naka sary toy ny fianakaviana iray i Momota sy ireo ankizy marobe nameno kianja rehefa nifaramparana ny lanonana…Misimisia ny toy ireny, hoy ireo ray aman-dreny nitondra ny zanany, fa ilaina ny toy ireny hampavitrika ny ankizy eo amin’ny fanamby ifanaovana amin’izy ireo, ary mahaliana tokoa ny fialàm-boly toy ireny..

Miora Razafy


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *