Socio-eco

LALÀNA MIFEHY NY RAFI-PITSARANA: Ho asiam-panovàna


Lalàna roa mifehy ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana eto Madagasikara no dinihina mandritra ny dimy andro eny amin’ny Motel Anosy. Nanomboka ny 8 oktobra ary hifarana ny 12 oktobra  2018 ity atrikasa iarahan’ny mpitsara rehetra miasa eo anivon’ny filan-kevi-panjakana sy eny anivon’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ary ny fikambanana ANJA (Association Nationale pour la Justice Administrative) ity. Noho ny fahitàna ny lesoka sy ireo fahasarotana amin’ny fampiharana ny andinin-dalàna mifehy ny fitsarana tampony sy ireo rafi-pitsarana miisa telo ao anatiny ary ny andinin-dalàna mifehy fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana no anton’izao atrikasa izao.

Lesoka iray nambaran’ny Clément Jaona, “commissaire de la loi” sady filoha lefitry ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) ny tsy fahampian’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana. Tokony apetraka isaky ny faritra izany mba tsy handehanana lavitra be.

Momba ny lalàna fehizoro laharana 2004-036 tamin’ny 01 oktobra 2004 izay mifehy ny fitsarana tampony sy ireo rafi-pitsarana miisa telo ao anatiny ny lahadinika voalohany ka ny rija-tenin-dalàna momba ny filan-kevim-panjakana no heverina asiam-panovàna amin’izany.

Ireo andinin-dalàna mila fanovàna ao amin’ny lalàna laharana 2001-025 momba ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana izay misy any amin’ireo renivohi-paritany enina eto Madagasikara kosa ny lahadinika faharoa. Efa natao mialoha ny fanangonana ireo tolo-kevitra rehetra avy amin’ny isaky ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana nanerana ny faritany enina ka izao entina iadian-kevitra nanomboka omaly. Torak’izany ihany koa no nataon’ireo mpitsara teo anivon’ny filan-kevi-panjakana Anosy. Mba hifanaraka indrindra amin’ny fiovan’ny tontolon’ny asam-pitsarana ny lalàna mifehy izany asa izany no tanjon’ny atrikasa.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *