Socio-eco

LAKAN-DRANO TSENTSINA: Trano miorina tsy ara-dalana 1000 ho arodana


Hiroso amin’ny fanadiovana ny lakan-drano “canal C3” izay mampikoriana ny rano manomboka any Anosibe, Namontana, 67 ha, Ankasina, Ankazomanga, Anosivavaka ary mifarana eo Ambodimita ny Ministeram-panjakana misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE). Ankoatra ny fanadiovana, hohamafisina ny sisiny ny lakan-drano ary hohatsaraina ny morony. Tsentsina ny lakan-drano “canal C3” noho ny fako, ny fanotofana sy ny fanorenana tsy ara-dalana manohatohana ny lalan-drano. Rehefa avy be ny orana, miakatra ny rano ary dibon-drano ireo tanana manodidina. “Naorina tamin’ny taona 1997 fanorenana ny canal C3. Efa nalain’ny fanjakana na natao “expropriation” ny tany rehetra voakasiky ny fanamboarana ny lakan-drano saingy mbola misy ihany ireo olona minia miditra sy mampiasa ny tanim-panjakana ankehitriny”, hoy ny Sekretera Jeneralin’n M2PATE, Rado Rajoelison Andrianary. Hanomboka amin’ny volana martsa 2018 ny tetikasa PRODUIR (Projet de Développement Urbain Integré et de Resilience du Grand Antananarivo). Iarahan’ny M2PATE sy ny Banky iraisam-pirenena manatanteraka ity tetikasa fampiroboroboana mirindra ny tontolo an-drenivohitr’Antananarivo sy ny manodidina sy ny fahafahany miatrika ny faharefony ity . Vola mitentina 60 tapitrisa dolara amerikana no hatontona amin’izany.
Trano arodana
Rehefa nanao fanadihadiana ny teo anivon’ny M2PATE , trano miorina tsy ara-dalana arivo isa izay mahatonga ny fahatsentsenan’ny lalan-drano no tsy maintsy esorina. “Ho jerena akaiky anefa ny zon’ireo olona manana trano voakasiky ny fandrodanana”, hoy hatrany Sekretera Jeneraly. Nilaza ny Tale ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana, Marie Gérard Andriamanohisoa fa tsy maintsy atao izay hampikoriana ny rano amin’ny lafiny ara-teknika sy hanatsarana endriky ny tanana toy ny fambolena hazo amin’ny sisin’ny lalan-drano. Tafiditra ao antin’ny tetikasa ihany koa ny fanamafisana ireo fefiloha ho fiarovana ny tombontsoa ny faritra iva iray manontolo sy ny tanana an’Antananarivo tsy ho difotry ny rano.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *