politique

JAONA ELITE: Manohana an’i Andry Rajoelina


Rehefa nijery ireo programan’asan’ireo kandida miisa 36 ny solombavambahoaka Randriarimalala Harijaona na Jaona Elite dia ny an’ny kandida Andry Rajoelina no hitany fa hitondra fampandrosoana ho an’ny distrikan’Atsimondrano. Nisafidy ny hanohana an’ity kandida laharana faha-13 ity ny tenany sy ireo mpanara-dia azy ka handray anjara amin’ny fampandaniana sy fandresena ny lahatra ny mpifidy izy ireo. Nambarany nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 10 oktobra 2018 fa ny resy lahatra ny tenany fa ny programa IEM an’i Andy Rajoelina no hamaha ny olana eny Atsimondrano toy ny fitohanan’ny fiarakodia lavareny, ny tsy fahampian’ny rano ilain’ny tantsaha amin’ny fambolena ary ny fahatapahan’ny famatsian-drano matetika. Ao anatin’ny vinan’ IEM ny fanamboarana ny làlana mampitohy an’ny fenoarivo sy ny “art Malagasy” eny Ambohitrimanjaka, ny fanamboarana ny siniben-drano eny Ambohidrapeto sy ireo tohan-drano eny Atsimondrano.
Filohan’ny vondrona parlemantera HVM teo aloha ny solombavambahoaka Randriarimalala Harijaona. Efa nametra-pialana tamin’izany andraikitra izany izy ary izao nisafidy ny hanohana ny kandida Andry Rajoelina, laharana faha-13. Nilaza izy fa vinan’asa no tohanany fa tsy olona.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *