Socio-eco

HAIN-TRANO TENY ANOSIBE: Maty izy mianaka noho ny famonjena an-drangahy


Nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana 160 tra-boina ny ministry ny atitany sy  fitsinjaram-pahefana  sy ny BNGRC omaly 8 novambra 2018. Kojakojan-dakozia (vilany, “seau”, zinga…), botofotsy, vary dimy taonina, trano lay… no nomena ireo tra-boina noho ny hain-trano nitranga teny amin’ny fokontany Anosibe Andrefana voalohany ny alin’ny 7 novambra 2018. Ny komity manokana efa natsangan’ireto niharam-pahavoazana ireto ihany no hitsinjara izany. Tamin’ny 11 ora alina teo no nanomboka ny afo ka kila avokoa ireo trano hazo miisa 60 mahery  sy trano biriky valo. Araka ny voalaza dia afon-dabozia no nitarika ity loza ity izay sarotra notohaina noho ireo trano voakasika saika vita amin’ny hazo daholo ka mora nandray afo tokoa.

Dimy no maty, lehilahy ny telo  ary vehivavy ny roa. Rangahy iray kosa may. Raha fitantaran’ny tra-boina iray, nisy mpianaka namoy ny ainy noho ny famonjena an-drangahy. Ankoatra ny fanolorana ny fanampiana, namangy ireo mana-manjo ny tomponandraikitra avy ao amin’ny ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana izay notarihin’ny ministra Tianarivelo Razafimahefa ary ny ekipan’ny BNGRC. Manentana ny rehetra ny ministry ny atitany mba hitandrina amin’ny fikirakirana ny afo satria hitera-doza izany  raha tsy mailo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *