Socio-eco

« FOND DE JEUNE NATIONALE » : Manohana ny firenena


Fikambanana manana ny maha izy azy no mivondrona ao anatin’ny FJN (fond de jeune nationale). Nijro tamin’ny fomba ofisialy ny 14 desambra 2018 ity fikambanana ity. « Ivondronan’ny fikambanana efa niasa ary miasa eto amin’ny firenena ny FJN », hoy ny mpitantana, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Nilaza ihany koa ny mpitantana ny FJN, Fulgence Ramamonjisoa fa telo ny fikambanana ao anatin’ny FJN dia ny HAFARI, ASTAFIM ary ny ASCOM.

Asa goavana ho an’ny firenena no ataon’ny vondrona FJN. Ankoatra  ny asa efa vitan’ny  mpikambana tsirairay hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ny vina amin’ny lafiny fahasalamana, fanabeazana, fanatsarana ny seha-pihariana, ny famoronan’asa, ny fanatsarana ny vina efa misy eny anivon’ny kaominina ny FJN. Izany indrindra no tsy nanohanan’ity vondrona ity kandida. “Manohana ny firenena izahay”.  Nohamafisin’i Jean Nirina Rafanomezantsoa fa tsy manohana na miandany na amin’iza na amin’iza ny fikambanana saingy miantso ny mpifidy hanefa ny adidiny amin’ny fifidianana fihodinana faharoa, ny 19 desambra 2018. Miantso ny HCC sy CENI ihany koa izy mba hametraka hatrany amin’ny fomba hentitra hisian’ny fifidianana mangarahara sy hisorohana ny hala-bato. Hetsika ho ataon’ny FJN izao ny fanentanana ny olona ny tokony atao manoloana ny firongatry ny kitrotro.

Lynda A.


One comment on “« FOND DE JEUNE NATIONALE » : Manohana ny firenena

  1. Pingback: « FOND DE JEUNE NATIONALE » : Manohana ny firenena - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *