Socio-eco

FIKAMBANANA SAINA: Miantso ny tanora manana vinavinan’asa


Andro lehibe ho an’ny fikambanana SAINA ny 29 jolay 2019. Notolorana tamin’io alatsinainy io ny valisoa ho an’ireo tanora manana vinavinan’asa mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana vinavinan’asa sy fihariana vaovao. 30 no nandray anjara ka ny enina tamin’izy ireo no voasafidy  hahazo ny 500 euros na 2.000.000 Ariary isan’olona.  Ho entin’izy ireo hiaingana amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’izy ireo io famatsiam-bola avy amin’ny fikambanana SAINA io.  Nambaran’ny filohan’ny mpitsara tamin’ny fifaninanana, Ramambazafy Andrianasolo fa avy amin’ny faritany enina eto Madagasikara ireo tanora nomena valisoa ireo. Miompana amin’ny fanodinana fako, fambolena biolojika, fiompiana zana-trondro ny tetik’asan’izy ireo. Mason-tsivana efatra  kosa no napetraka nifantenana  ireo vinavinan’asa ka ao anatin’izany ny fikarohana, ny fanavaozana,  ny fanajana ny tontolo iainana, fitombenan’ny vinavina (mety hiteraka asa) ary ny fomba hanitarana azy.

Tsy hijanona hatreo ny fanampian’ny fikambanana ireto tanora ireto fa mbola hanara-maso azy ireo mandra-pahatanteraky ny vinavinan’asany, amin’ny alalan’ny fanomezana toro-lalana amin’ny lafiny lalàna, lafiny teknika fa indrindra fitadiavana famatsiam-bola, hoy ny filohan’ny fikambanana Andriamihamina  Felana. Mbola nanome fanazavana ihany koa Ramambazafy Andrianasolo fa rehefa mahaleo tena sy hita fa matanjaka tsara ny orinasan’izy ireo dia tsofina rano. Laharam-pamehana ho an’ity fikambanana ity ny fampananan’asa  ny  tanora malagasy. Noho izany, antsoina avokoa izay rehetra manana tetikasa fa vonona hanampy tosika azy ireo ny mpikambana ao amin’ny SAINA.

Lynda A.


One comment on “FIKAMBANANA SAINA: Miantso ny tanora manana vinavinan’asa

  1. Pingback: FIKAMBANANA SAINA: Miantso ny tanora manana vinavinan’asa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *