Socio-eco

FIGN : « Arakaraka ny zava-misy ny fampiofanana omena ny zandary »


 Feno 50 taona ny hery vonjy taitra ny zandarimariam-pirenena (FIGN). Nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy izany ny zoma 28 septambra 2018 teny amin’ny  toby ny FIGN  Fort Duchesne. Ho mari-pahatsiarovana ity  jobily ity dia nisy ny fitokanana tsangambato sy fitokanana ny toeram-pilalaovana « basket » ao amin’ny toby izay nohavaozina taorian’ny fotoam-pivavahana.  Iraka  hitambaran’ny FIGN amin’ny zandarimaria ny fampandriana fahalemana toy ny fiarovana  ny vahoaka sy ny fananany, ny fiarovana ny andrim-panjakana.  Mandray anjara amin’ny ady amin’ny asan-dahalo ihany koa izy amin’ny alalan’ny USAD na « Unité Spécial Anti-Dahalo ». Ny taona 2016 no natsangana ity vondrona ity ary faritra dimy no hiasany  dia ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, Ihorombe, Atsimo Atsinanana, Anosy. Nambaran’ny komandin’ny FIGN, jeneraly  Nixor  Tsitambala  fa nahatratra 65 % ka hatramin’ny 70 % ny vokatra tsara tamin’ny ady amin’ny asan-dahalo satria arakaraka ny zava-misy ny fampiofanana omena ny zandary mba hamatihanina ny zandary sy hialàna amin’ny fitavozavozana. Anisany nahazoana ny vokatra tsara tamin’ny fanenjehana dahalo  mpangalatr’omby ihany koa ny  fifanampian’ny zandary sy ny fokonolona.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *