Socio-eco

FANITARANA NY SERANAN-TSAMBON’I TOAMASINA : Nanazava ny ahiahin’ny mponina ny SPAT


Famatsiam-bola goavana indrindra hatramin’izay nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena ny vola hanatanterahana ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Seranan-tsambon'i Toamasina

Seranan-tsambon’i Toamasina

Efa ilaozan’ny toetr’andro ireo fotodrafitrasa amin’izao fotoana izao satria tsy afaka mandray ireo sambo môderina. Noho ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny governemanta japoney sy ny fanjakana malagasy dia hitarina ny « quai » na ny toby fiantsonan’ny sambo,  ho atao « dragage » na hohalalinina ho 16 metatra ny  ranomasina hiantsonan’ny sambo ary  hampiana 10 hektara ny « terre-plein » na ny  toerana hitobian’ireo « conteneurs ». Vola mitentina 632 tapitrisa dolara no teti-bidin’ireo fotodrafitrasa ireo. Nindramin’ny fanjakana Malagasy tany amin’ny governemanta japoney ny 65%-n’io vola io ary hiantoka ny 35 % famenony kosa ny fitondram-panjakana eto an-toerana.

Fitobian'ny "conteneurs" ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina

Fitobian’ny « conteneurs » ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina

Ao anatin’ny valo taona ny faharetan’ny fanatanterahana ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambo, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasam-panjakana misahana ny seranan-tsambo ao  Toamasina na SPAT, Christian Avellin. « Conteneurs » miisa 200.000 isan-taona no zakan’ny « terre-plein ». Niakatra 16 % anefa ny isan’ny « conteneurs » miditra isan-taona amin’izao fotoana izao raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny SPAT. Lasa 240.000 isan-taona izany ka tsy ampy handraisana izany intsony ny « terre-plein » amin’izao fotoana izao.

Ny taona 2022 anefa vao vita ny toerana hanatobiana ireo « conteneurs » mirefy 10 hektara  izay novatsian’ny  governemanta japoney vola vao vita.

"terre-plein" namboarin'ny SPAT tamin'ny alalan'ny volany madiodio

« terre-plein » namboarin’ny SPAT tamin’ny alalan’ny volany madiodio

Mba hisorohana fitohanan’ny sambo, nanamboatra terre-plein mirefy dimy hektara  tamin’ny alalan’ny volany manokana ny SPAT. Vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny taona 2018 io foto-drafitr’asa io. Raha vita soamantsara ny fanitarana ny seranan-tsambo dia hahazaka « conteneurs » 1.200.000 isan-taona ny « terre-plein » ary afaka mandray sambo lehibe roa mirefy 400 metatra sy 360 metatra ny « quai ».

Manana ahiahy amin’ny fanitarana ny seranan-tsambo ny mponin’i Toamasina.

Tale jeneralin'ny SPAT, Christian Avellin nanazava ny fanitarana ny seranan-tsambo nandritra ny varavarana misokatra

Tale jeneralin’ny SPAT, Christian Avellin nanazava ny fanitarana ny seranan-tsambo nandritra ny varavarana misokatra

Matahotra ireo mponina sao ho kaohan’ny riaka ny sisin-dranomasina ary ho tondraka an-tanana ny rano. Mba hanazavana ny ahiahin’izy ireo dia nanatanteraka soka-baravarana nanoloana araben’ny fahaleovantena Toamasina ny 5 sy ny 6 oktobra 2018 ny SPAT. Nohazavaina nandritra ny hetsika fa mety hisy na tsy hisy mihitsy ny fikaohan-driaka rehefa vita ny rindrim-bato hiarovana ny quai tsy ho ravan’ny onja, hoy ireo manam-pahaizana japoney. Hisy ny fanamboarana fotodrafitrasa hiarovana amin’izany fikaohan-driaka izany. Efa nafindra tamin’ny toerana hafa ihany koa ireo « corail » mipetraka amin’ny faritry ny ranomasina ho totofana hanaovana ny « terre-plein ».

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *