politique

Fanenjehana ara-politika : Misy tsiambaratelo tokony hajaina


Moa tsy famotehana ny zo maha-olombelona sy ny tsiambaratelon’ny famotorana ny filazàna an-gazety izay any ambadika miafina any ? Raha nandeha noho ny fanajany ny asany marina ny mpanao fanadihadiana, dia tokony hahatsapa izy ireo fa mpanatanteraka « hetsika politika » fotsiny. Ary raha tena tsapany marina fa misy « mpibaiko » izy ireo dia tsy tokony  hisalasala hametra-pialàna avy hatrany, satria tsy mifanaraka velively amin’izay fikelezan’aina am-pahamarinana nataony ny « baiko politika » nitsabaka tao anaty vilaniny.

Moa tsy ireto mpanao fanadihadiana ireto no nandrangaranga fa heloka tsy azo ivalozana sy mety hitarika any amin’ny gadra mandra-pahafaty ity heloka natao ho famonoana olona na koa fanaovana kolikoly avo lenta, na fanondranana “hazo voarara” ? Dia inona no lanjan’izany resaka izany ? Inona no maha-saro-pady ny asany amin’izany  ?

Tsy tokony ho « politika » velively no hanimba ny asan’ny tsirairay, fa matoa manaiky hanatanteraka « baiko politika » dia efa mpanao politika matihanina izany. Tsy manana ny fahaleovantenany eo amin’ny asa ataony. Dia iza indray no mbola hahatoky azy ireo raha mbola (sanatria) misy manao « hadalana » toy iny ao aoriana kely ? Sa ny fitondrana mihitsy no nanjary ho malemy mohaka?


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *