Socio-eco

FANDEFASANA HORONAN-TSARY:Hampivelatra ny sain’ny mpianatra


 Ho ampiasain’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) ny fandefasana horonan-tsary PLAZA Ampefiloha isaky ny talata. Hisy ny fandefasana horonan-tsary arahina ady hevitra natokana ho an’ireo mpianatry ny  liseam-panjakana. Nanomboka omaly talata 13 febroary 2018 ity tetikasan’ny ny “direction de la formation de masse” (DFM)  izay eo ambany fiadidian’ny MEN. Mpianatry ny liseam-panjakana 400 avy any Ambohimanambola, Galliéni, Jean Joseph Rabearivelo sy  Ampefiloha  no niara-nijery horonan-tsary mitondra ny lohateny hoe: “dzaomalaza” . Nofaranana tamin’ny adi-hevitra ny hetsika. “Fanombohana ihany ity hetsika karakarainay miaraka amin’ny Canal 7 event sy ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena ity. Ho fampivelarana ny sain’ny mpianatra no tanjona eto”, hoy ny Tale Jeneralin’ny fampianarana ambaratonga faharoa, Lalaharontsoa Rakotojaona. Hivoaka ao amin’ny tranokalan’ny MEN ny fandaharam-potoana isam-bolana.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *