Socio-eco

ENTONA MANGEJA HAFANANA : Tompon’antoka ihany koa ny sehatry ny ala


Mamoaka entona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) be indrindra eto Madagasikara ny sehatry ny ala. Anisany mahatonga izany ny doro tanety, ny fanapahana ny ala. Isan-taona dia manao tatitra momba ny fandrefesana ny entona mangeja hafanana ny firenena malagasy satria nankatoa ny  fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina amin’ny fandrefesana ity entona ity eo amin’ny sehatry ny ala dia manatanteraka atrik’asa fampiofanana ny birao nasionaly mpandrindra ny REDD+ (BNC REDD+), eo ambany fiahian’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao anatin’ny telo andro. Nanomboka omaly 16 aprily ary hifarana rahampitso 18 aprily 2019 izany. « Hatramin’izay efa nanao tatitra momba ny entona mangeja hafanana i Madagasikara. Mbola nahitàna tsy fahatomombanana anefa izany ka izany indrindra no tanjon’ity atrik’asa ity mba hanatsarana ny tatitra atao », hoy ny mpandrindra nasionaly ny BNC REDD+, Rakotosoa Andrianina nandritra ny fanokafana ny atrik’asa.

Tohana avy amin’ny fanjakana amerikanina  amin’ny alalan’ny USAID sy ny USFS ity fampiofanana ity. Ao anatin’ny fiofanana ny fampiasana ny rindram-baiko vaovao ALU, fandrefesana etona mangeja.  Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny BNC REDD+ hatrany dia ao anatin’ny fanatanterahana ny rohi-fiasa REDD+, miompana amin’ny fanalefahana ny fiovaovan’ny toetry ny andro amin’ny alalan’ny fanomezana tambiny ara-bola ireo ezaka fampihenana ny entona mangeja hafanana vokatry ny faharipahana sy ny fahasimban’ny ala ihany koa ity atrik’asa ity. Vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny entona mangeja dia simba ny sosona ozonina ka izay no miteraka fiovaovan’ny toetry ny andro. Manoloana izany dia manana vina hampidina ny entona mangeja ho 14 isan-jato i Madagasikara.

Lynda A.


One comment on “ENTONA MANGEJA HAFANANA : Tompon’antoka ihany koa ny sehatry ny ala

  1. Pingback: ENTONA MANGEJA HAFANANA : Tompon’antoka ihany koa ny sehatry ny ala - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *