Socio-eco

« Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi » : Homena sehatra manokana ireo mitady asa


Fotoan-dehibe ho an’ny tanora Malagasy mitady asa ny hetsika « carrefour de la formation,  des métiers  et de l’emploi ». Ny Alliance Française Andavamamba (AFT) no mikarakara ny hetsika. Ny 27 sy ny 28 jolay 2018 ao amin’ny AFT no hanatanterahana ny andiany faharoa.  Mandray anjara amin’ny hetsika ireo orinasa eto Madagasikara manana tolotr’asa. Natao ho an’ireo tanora manana diplaoma na am-pitadiavana fanazaran’asa (stage) na asa  ny « carrefour de la formation,  des métiers  et de l’emploi ».Santionany amin’ireo orinasa mandray anjara ny orinasa Ambatovy, BNI Madagascar, Floréal, groupe Telma, Job journal, Mada Job formation et recrutement, Intelcia (Outremer Télécom)….

Ankoatra ny tolotra arak’asa, misokatra ho an’ny tanora vao afaka fanadinana bakalorea na efa manana diplaoama ka mbola te hanatsara ny fahaizany ny « carrefour de la formation, des métiers  et de l’emploi ». Ivon- toeram-pampianarana sy toeram-pampiofanana ary oniversite manodidina ny roapolo eo hampiranty ny lalam-piofanana mifanaraka amin’ny fanirian’ny mpianatra.  Hanoro lalàna ny mpitsidika ny tombony amin’ny fanarahana ireo lalam-piofanana misy ao aminy ireo mpandray anjara.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *