Socio-eco

VONDRON’NY MPIASA MALAGASY: Vokatry ny tsy fanarahan-dalàna ny zava-misy amin’izao fotoana izao


Hanatanteraka fivoriana ny 20 Oktobra 2023 ny vondron’ny  mpiasa malagasy. Miantso ny mpiasa malagasy na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana izahay hidinika ny tokony atao amin’izao zavatra mitranga izao hoy Ratolojanahary Maharavo na Doudou, mpitondra tenin’ny vondron’ny  mpiasa malagasy . Ho rava ity firenentsika ity raha ny zavatra mitranga no jerena. Loza miatra izy ity noho ny ataon’ny mpanao politika. Ambompo tafahoatra no anton’izany ka lasa ny malagasy no  mifandratra sy mifamono, hoy izy.  Misavoritaka, tsy misy intsony ny mpanelanelana. Fotsy rora miteny ve ireo ray aman-drenintsika ? Tsy misy matahotra intsony eto noho ny fitiavam-bola. Izao ve ny atao hoe firenena tan-dàlana  sy demokrasia ireharehana? Izao misy rehetra izao dia noho ny tsy fanarahan-dàlana. Samy manao izay saim-patany ny rehetra. Mba efa nisy didy ve navoakan’ny HCC fa efa banga ny toeran’ny filohan’ny antenimierandoholona mialoha ny nifidianana ny filohan’ny loholona vaovao ?, hoy hatrany ity mpitondra tenin’ny vondron’ny mpiasa malagasy ity. Mifamono ny gasy raha ny zavatra hita teny Andavamamba, mila mijoro ny mpiasa malagasy, ahoana ny atao amin’ity firenena ity fa hiady isika raha izao no mitohy, hoy hatrany izy. Miangavy antsika mpiasa malagasy, manam-pahaizana, vato nasondrotry ny tany, ireo mpandraharaha, ho avelantsika ho viravirain’ny mpanao politika ve ity firenentsika ity ?

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *