Edito

VOLA BAORITRA.


Nivoaka tamin’ity herinandro ity ny vola vaovao natontan’ny fitondrana Malagasy. Maro tamin’ny Malagasy efa manana ireo vola vaovao no faly. Ny tsy mbola manana maniry ny hahazo. Ao no milaza fa mitovy amin’ny vola Euro…Ny mampalahelo, tsy fahafantaran’ny vahoaka Malagasy ny fiantraikany ratsy amin’ny fisian’ireo vola vaovao sy ny teo aloha indray miasa. Ny mahavariana, nahoana no tsy nanome fe-potoana ny banky foiben’i Madagasikara tamin’ireo vola efa niasa. Midika ve izany fa manam-bola be ny Malagasy satria ny efa eo mbola miasa, ny vaovao eo ihany koa. Be vola izany isika Malagasy raha izay no dinihina. Manankarena izany ve ny fanjakana Malagasy fa mitombo ny vola misa eto Madagasikara ? Manginy fotsiny ny tsy fanazava  ny isan’ireo vola vaovao ireo na ny sandany. Tsy nisy fanazavana hafa tsy hoe : nisy sarany ny nanaovana azy tany ivelany. Vola baoritra ve izany no azo andikana ireo vola vaovao ireo ? Raha izany hiteraka fahantrana goavana ho an’ny Malagasy ny fisian’ireo vola vaovao ireo indrindra ny fisian’ny vola 20.000 Ariary mitambatra. Sao kosa misy ambadika no nanaovana azy ireny. Efa ho avy raha teo ny fifidianana ka mety misy mahazo tombotsoa amin’ny fisian’ireo vola ireo. Sa tsy azo ny vola nampanantenain’ny mpamatsy vola  dia aleo manamboatra vola ?. Isika ve mihevitra fa hanaiky an’izao fotsiny ireo firenena vahiny nefa isika mbola ao anatin’ny MID na ny Marché Interbancaire des Devises. Nahoana moa isika no lasa manam-bola be tampoka teo ?  Tsy maintsy hiakatra ny hividianantsika ny vola vahiny. Tokony ho fantatry ny rehetra fa betsaka ireo zavatra no vidiantsika any ivelany. Anisan’izany solika izay iankinan’ny fidinana na fiakaran’ny vidin’entana.

Ankoatra izay, tokony nampahafantarina volana maromaro mialoha ny vahoaka ny fisian’izy ireo. Mety hiteraka fanambakana ireo any ambany ravinahitra izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *