Socio-eco

VILLAGE ORANGE ANTSAHAFILO : Famatsiam-bola 100 isan-jaton’ny « Orange Solidarité Madagascar »


« Village Orange » faha 29 ny ao amin’ny kaominina Antsahafilo, Distrikan’Ambohidratrimo, Faritra Analamanga. Ao anatin’ny tetik’asan’ ny « Orange Solidarité Madagascar » ny « Village Orange » ny fanamboarana sy fanavaozana ny trano fianarana sy ny fampitaovana, tobi-pahasalamana, fametrahana rano fisotro madio…Notokana ny 26 septambra 2023 ny « Village Orange » faha 29 teny Antsahafilo. Mitentina 580 tapitrisa ariary ny volany tamin’izany. Efa trano fianarana tranainy ny sekoly EPP Antsahafilo satria 140 taona no nisian’ny ary efa simba. Noho izany dia namboarina sy navaozina mba afahan’ny ankizy eny Antsahafilo mianatra amin’ny foto-drafitr’asa manaraka ny fenitra. Misy rihana iray sy efitrano efatra. Miavaka ity sekoly ity satria tsy mitovy amin’ny dabilio mahazatra. Dablio ahafahan’ny mpampianatra mampiatra ny hay fampitana. Eo ihany koa ny fisian’ny toeram-pamakiam-boky, ny toeram-pivoahana, ny toerana filalaovan’ny mpianatra ary ny fisian’ny rano fisotro madio. Anisany mmpiodina ny sekoly ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Nisy noho izany ny fanofanana ireo ray aman-dreny ny sahan’asa isan-karazany. Teo ny  ny Fanofanana ireo manam-pahefana isan-karazany eny an-toerana amin’ny adidy sy andraikitr’izy ireo amin’ny fanabeazana ireo ankizy ireo. Nanofana ireo mpampiantra sy FEFFI amin’ny fikojakojana sy mikolokolo ny foto-drafitr’asa. Ankoatra izay, voasafidy ho sekoly ampiharina ny tetikasa sekoly nomerika ny EPP Antsahafilo. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana dia nisy ny fanavaozana ny CSB II Antsahafilo. Ao anatin’izany ny fampitaovana ho enti-mitsabo.  Fametrahana trano hitoeran’ny marary sy ny herin’aratra entina manazava. Tsy adino ny fisian’ny rano fisotro madio sy hidiovana

Marihana fa ONG Aide et Action no niara-niasa tamin’ny « « Orange Solidarité Madagascar » tamin’ny fanatanterahana ny « Village Orange » eny Antsahafilo ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *