Non classé

VAKSINY COVID-19 : Efa misy olona 120 tsy atahorana hanao “forme grave”


Niroso tamin’ny fanaovanam-baksiny covid-19 andiany faharoa ny mpiasan’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy lovainjafy  (DREDD) Analamanga, ireo olona avy ao amin’ny fokontany Nanisana sy avy any amin’ny distrikan’Avarandrano ny 27 aogositra 2021 teny amin’ny biraon’ny DREDD Analamanga. Olona 120 no vita vaksiny Covishield tamin’io fotoana io.  Ny 15 jona 2021 ny andiany faharoa ary ity natao tamin’ny 28 aogositra ity ny faharoa. “Fiarahamiasa eo amin’ny  fitaleavam-paritry ny tontolo iainana Analamanga  sy ny distrika Avarandrano, Antananarivo fahadimy, ministeran’ny fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ny fokontany Nanisana ity hetsika ity”, hoy ny talem-paritry ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana Analamanga , Andrianandrasana Tiana Herizo Nambarany fa “hanaporofoana fa ny fiarahamiasa tahaka izao no mitondra mankany amin’ny fahombiazana, ary mifandray rahateo ny fahasalaman’ny vatana sy ny fahasalaman’ny tontolo. Raha tsy salama, tsy afaka miaro ny tontolo iainana, ary raha tsy misy  tontolo iainana mahasalama ihany koa, manjary misy fiatrainkany ny fahaveloman’ny olombelona sy ny taranany”, hoy izy. Araka ny fanazavan’i Haingo Paradis, mpisehatra ara-tsosialy sady nanampy tamin’ny fikarakarana ny hetsika dia “afaka milamina fa efa misy olona 120 any tsy atahorana ho tratry ny forme grave”. Nilaza izy fa , efa tsy fotoana ifanentanana intsony hoe tokony hanao vaksiny, fa tokony hihazakazaka  rehefa manome toromarika ny ministera fahasalamam-bahoaka hoe amin’izao ny fotoana tokony hanaovana vaksiny.  Tokony hiaraka isika rehetra satria io ihany no fanoitra lehibe ahafahantsika miatrika ny aretina Covid-19”.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *