Socio-eco

VADIN’BEN’NY TANANA ALASORA SY NY FIKAMBANAM-BEHIVAVY: Nizara zava-tsoa teny amin’ny EPP Ambohimarina


“Tena faly ny zanakay, izahay koa tsy nody maina”. Nizara vatsy ho an’ny mpianatry ny EPP Ambohimarina sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary mpampianatra 350 ny vadin’ny Ben’ny tanàna Alasora sy ny fikambanam-behivavy “Porte Bonheur” izay tarihiny ny 22 desambra 2021. Efa fanaon’ireto vondrom-behivavy tsara sitrapo mitsinjo ny hafa ireto ny hetsika ara-tsosialy fa tao amin’ny EPP Ambohimarina ry zareo no nanao izany amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely sy faran’ny taona izao.  “Gourde” sy vatomamy ary “biscuits” no azon’ireo ankizy. “Panier garni” ahitana vary, menaka, macaroni miampy fitoeran-drano (bidon) sy arovavaorona  ny an’ny ray aman-dreny ary “panier garni” misy vary 10kg avy, macaroni, menaka, bidon, arovavaorona, akanjo no anjaran’ny mpampianatra. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana Porte Bonheur, Randriantsoa Mireille fa fiarahamientan’izy ireo madiodio sy fanomezana avy aminy malala-tanana no nahafahana nanatontosa ny hetsika. “Nisitraka fanomezana sahaza azy ireo mpianatra, toy izany koa ireo Ray aman-dreny sy mpampianatra”, hoy izy. Rehefa nanontaniana ny solontenan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra dia nilaza fa “manampy be azy ireo ny hetsika tahaka izao. “Tena faly ny zanakay, izahay koa tsy nody maina”, hoy izy.  Rehefa avy manao asa sosialy tahaka izao dia tsy ny mpahazo tombontsoa ihany no faly fa henika hafaliana ihany koa mpikarakara hetsika ary manosika azy ireo hitohy hikaroka ny fomba rehetra hanampiana ny mpiara-belona izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *