Socio-eco

UNIVERSITE POLYTECHNIQUE D’AVARANDRANO – MASCA: Efa vonona hiatrika ny sehatry ny asa sy hamorona asa ireo mpianatra mivoaka


“Mianatra mba hamorona”. Io no teny filamatry ny Université Polytechnique d’Avaradrano (UPA). “Novolavolaina hamorona asa ny mpianatra mivoaka ato aminay”, hoy i Rakotoson Hoby Lalaina, Tale miandraikitra ny fitantanan-draharaha sy vola (DAF) ao amin’ny UPA/HPI MASCA Sabotsy Namehana. Tontosa ny zoma 22 desambra 2023, teny amin’ny foiben’ny oniversite, eny Sabotsy Namehana ny lanonana famoahana amin’ny fomba ofisialy ny andiany fahafito amin’ireo mpianatra mandranto fianarana ao amin’ny oniversite. Mpianatra miisa 33 mianadahy no nahazo ny diplaoma LICENCE. Avy amin’ny lalam-piofanana “Agronomie”, “Paramédicaux” ary “Multimédia et Communication” izy ireo.  Ray mpiahy ny andiany MAMIRATRA ny Ben’ny tanàn’ny kaominina Alasora. Anarana nitambaran’ny lalam-piofanana ny andiany MAMIRATRA fa mbola samy nanana ny anarany niantsoana azy ny mpianatra isaky ny lalam-piofanana. Nisalotra ny andiany “TOKY” ny lalam-piofanana “Multimédia et Communication”, SAFIRA (Sarobidy Aminay ny Fahasalamana ka Iarahanay Rehetra Asandratra)  ny an’ny « Paramédicaux » ary KINTANA ny an’ny “Agronomie”.  Ray mpiahy ny andiany SAFIRA ny Filohan’ny holafitra nasionalin’ny infirmiera teo aloha, Rakotonirina Urbain Antoine. Nanafatra izy nandritra ny fandraisam-pitenenany fa mitana andraikitra lehibe ny infirmiera sy rasazy ary mila miditra ao amin’ny holafitra izy ireo vao afaka manatanteraka ny asany.

Mbola malalaka ny tsenan’ny asa raha eo amin’ny sehatry ny fiompiana, araka ny fanazavan’ny  solontenan’ny  ministera misahana ny fiompiana, nanatrika ny famoahana ny andiany MAMIRATRA.  “Betsaka  ny sehatr’asa amin’ny lafin’ny  fiompiana raha tsy hilaza afa-tsy ny famokarana sakafom-biby”, hoy izy nandritra fandraisam-pitenenany. Mamporisika ireo mpianatra nivoaka avy ao amin’ny lalam-piofanana “Agronomie”  izy hanohy hatrany ny fianarany hatramin’ny Doctorat. Feno 10 taona no niorenan’ity oniverste anatin’ny vondrona MASCA ity. Manana vina hamoaka mpianatra hahazo ny diplaoma  MASTER sy DOCTORAT ny sekoly ho an’ny 10 taona manaraka.

Lynda A.

HORONANTSARY:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *