Socio-eco

TETIKASA ALEFA AGROECOLOGIE : Ny ankizy indray no mampianatra ny ray aman-dreny ny fomba fambolena maharitra na « agroécologie »


Fomba iray hanovàna toe-tsaina. Mitohy ao amin’ny faritra Itasy ny fampidirana ny taranja  “agroécologie” na fambolena maharitra any an-tsekoly.  Sekoly ambaratonga voalohany (CEG) miisa  efatra (04) ao Miarinarivo (CEG Antanetimboahangy, Igararana, Ambatomanjaka, Mandiavato) no nosafidian’ny tetikasa ALEFA Agroécologie hampianarana izany, nanomboka ny taom-pianarana 2022- 2023. Mpianatra ao amin’ny kilasy fahaenina sy fahadimy no misitraka ny tetikasa. Mandrindra ny tetikasa ALEFA Agroécologie ny APDRA ary miaramiasa amin’ny GSDM, Coeur de fôret  ary ny FIFATA amin’ny fanatanterahana azy. Anjara asan’ny GSDM, mpisehatra matihanina amin’ny fambolena maharitra, ny fampidirana ny agroécologie (AE) any an-tsekoly.  Nidina tany an-toerana ny teknisian’ny GSDM ka nampiofana ireo mpampianatra miisa 20 momba ny teknikam-pambolena ampiasaina amin’ny AE, toy ny fanamboarana zezika kompôsta, ranon-jezika, voly rakotra na fambolena zava-maitso manatsara na manerina ny tsiron’ny tany (mucuna, stylosanthes…), fampivadiam-boly, fifampidimbiasamboly, fambolen-kazo haingam-pitombo… Efa voarakitra ao anatin’ny boky torolalana momba ny AE ireo teknika ireo ka nozaraina izany ireo mpampianatra. Nomena fitaovam-pamokarana sy masomboly ihany koa ireo sekoly satria manao fampiharana eny amin’ny saha sekoly ireo mpianatra aorian’ny fampianarana. Miaramiasa amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny tetikasa amin’ny fisafidianana ireo sekoly .Adisisika ataon’ny GSDM ny fampianarana ny AE manerana ny sekoly eto Madagasikara. Efa misy vokany izany satria CISCO 18 no hanaovana andrana, araka ny  famelabelarana nataon’ny tomponandraikitry ny fitaleavana misahana ny fandaharam-pibeazana.

Tombontsoa amin’ny fampiasana ny fambolena maharitra

Nanatanteraka atrikasa ho fanombanana ny zavabita nandritra ny fampidirana ny AE tao amin’ny faritra Itasy ny tetikasa ALEFA Agroécologie ny 13 okotbra 2023, tao amin’ny tranom-pokonolona Miarinarivo. Nizara ny zava-nisy niainany  ireo Tale-tsekoly sy ny solontenan’ny mpampianatra, ary ny solontenan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy mpianatra tamin’io fotoana io. Ho an’ny CEG Igararana, 8 kilometatra miala ny tampon-tananàn’i Miarinarivo, tombontsoa ho azy ireo ny fampidirana ny AE any an-tsekoly. “Mitondra fandrosoana ho an’ny CEG ny fampidirana ny AE an-tsekoly satria ho  ataonay fampitaovana hanalana ny fahasahiranana kely misy ao amin’ny sekoly.  Mba mahazo masomboly ny mpampianatra, ny ray aman-dreny. Ho tafita any amin’ny fiarahamonina, any an-tanana ny  traikefa vohizina”, hoy i Ravaoarimanana Marie Clarisse, Talen’ny CEG Igararana. Voly rakotra sy voly vary no nambolen’ity sekoly ity tamin’ny taom-pianarana lasa teo. Tsara ny vokatra raha oharina amin’ny CEG hafa, araka ny fanazavany. Vary akotry iray kilao no nafafy ary namokatra  vary 60 kilao. Fampiharana  ny paikady “éducation à l’inverse” na ny ankizy indray no mampita amin’ny ray aman-dreny ny fampidirana ny AE any  an-tsekoly. “Sehatra iray ahafahana mampiova toetsain’ny ray aman-dreny izany”, hoy i Rakotondramanana,Tale mpanatanteraky ny GSDM, ho fiarovana ny tontolo iainana sy ho fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Ny voly rakotra izay manamasaka ny tany sy fanaovana kompôsta no nampitain’ i Andoniaina Stéphan, mpianatrin’ny CEG Igararana. Nampihatra izany ny ray aman-dreniny  ka voly tsaramaso no nataon’izy ireo taorian’ny voly rakotra.  Ho an’i Lydia, ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny CEG Antanetimboahangy dia efa faniriany  efa ela ny hampianarana ny tantsaha  izany “agroécologie” izany fa tsy mionona amin’ny fampianarana ara-taratasy fotsiny fa miditra amin’ny ara-tany”.  Voly rakotra no nampitainy ny zanany taminy fa manamasaka ny tany ka nandrana nanao izany izy.  Marihina fa fomba fambolena miaro ny tontolo iainana, mampihena ny fampiasana akora simika, manatsara tsiron’ny tany, mampitombo ny vokatra  ny AE.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *