Socio-eco

TETIKASA ALEFA AGROECOLOGIE: Manampy ny tantsaha amin’ny seha-pihariana marolafy


Manana olana ireo mpiompy trondro anaty tanimbary ao amin’ny faritra Itasy. Miha ritra ny loharano noho ny fiovan’ny toetrandro ka miantraika any amin’ny fiompiana trondro sy fambolem-bary izany. Niainga tamin’ny fahitana io olana io no niforonan’ny tetikasa ALEFA Agroécologie.  Ahoana ny atao ahafahana miompy trondro manoloana ny fiovan’ny toetrandro, hamerenana tsikelikely  ny tanjaky ny loharano? Ho fampitomboana sy fanatsarana ny vokabary, fanatsarana ny famokarana trondro, fampitomboana ny fidirambola sy fanatsarana ny fanjariantsakafo no tanjon’ny tetikasa.  « Mitodika amin’ny fanajariana ny sahandriaka iarovana ny seha-pihariana trondro ny tetikasa. Izay no tena fanalavana ny ALEFA fa ny  tiana iaviana ao anatiny ao dia raha tototry ny antsanga , misy fahasimbana avy aty ambony dia tsy mandeha io fiompiana trondro an-tanimbary io. Raha  ritra ny loharano dia tsy afaka mandeha ny seha-pihariana trondro nefa afaka mamaha ny olana  ara-tsakafo na ara-pitadiavam-bola ho an’ny tantsaha io seha-pihariana io », hoy i Raharison Tahiana, Tale mpanatanteraky ny GSDM, nandritra ny andro natokana ho an’ny « agroécologie » (JAE), natao tao Itasy ny 27 sy 28 martsa 2024. Nambarany fa marolafy ny sehatra iasan’ny tetikasa fa tsy mionona amin’ny fiompiana trondro na fambolena ihany fa mivelatra any  amin’ny ara-tsakafo, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro. Misy ifandraisany noho izany ny eny  ambony ka hatrany ambany izay ny antony iasana amin’ny sahandriaka. Notsidihana nandritra JAE Itasy ny sahandriaka Amboara, ao Igararana Miarinarivo II, tantsaha mpamboly sy mpiompy trondro an-tanimbary miisa 14 no miasa ao. Azo tsapain-tanana  ny vokatra ho an’ireo mpiompy trondro mivondrona ao amin’ny fikambanana APIGA ao Igararana. 13 ny isan’ny tantsaha mpikambana ao ary samy miompy trondro an-tanimbary.

Ranaivomady Charlie, mpikambana ao amn’ny APIGA

Ranaivomady Charlie, mpikambana ao amn’ny APIGA

Niova ny fari-piainan’izy ireo rehefa nahazo fiofanana tamin’ny APDRA momba ny famokarana zana-trondro sy ny fanatavezana trondro avy amin’ny APDRA. « Taloha izahay niompy trondro fahatany fa rehefa nahazo fiofanana tamin’ny APDRA, nanaraka ny teknika fiompiana trondro dia azo tsapain-tanana ny vokatra satria efa namatsy zanatrondro ny faritra Bongolava, Itasy ny fikambanana APIGA. Zana-trondro aman-hetsiny no efa novokarina tao anatin’ny heritaona. Nampiova ny fari-piainana isan-tokantrano ny fiompiana trondro », hoy i Ranaivomady Charlie, mpikambana ao amn’ny APIGA (Association des Pisciculteurs Igararana). Nanamafy ihany koa izy  fa rano no tena iainany ny vary sy trondro saingy  ny olana dia somary lavidavitra ny rano mamatsy ny sahandriaka iasan’izy ireo.

Zandrimeva Fleurette, mpamboly ao amin’ny sahandriaka Amboara

Zandrimeva Fleurette, mpamboly ao amin’ny sahandriaka Amboara

Nitondra vokatsoa ho an-dRamatoa Zandrimeva Fleurette, manana tanimboly ao amin’ny sahandriaka Amboara ity tetikasa ity. Efa nipetraka ela ny taniny fa rehefa nanao fanentanana momba ny voly rakotra na fampiasana zavamaniry mamerina ny tsiron’ny tany  na manatsara ny kalitaon’ny tany (mucuna, cajanus, stylosanthes…) dia niverina namboly teo indray. Namboleny « mucuna » ny taniny tamin’ny taona voalohany ary lasa nanao vary an-tanety izy ny taona faharoa. « Tena tsara  ny vokatra. Resy lahatra izahay. […]Nahatonga anay namboly hazo satria betsaka ny tany tototra, betsaka ny loharano tototra. Tena nahatsara ny fiainanay ilay tetikasa », hoy izy.

Manampy ny tantsaha mpamboly sy mpiompy hiatrika ny fiantraikany ny fiovan’ny toetrandro, ny fiantrainkany ny fitomboan’ny mponina sy ny valanaretina Covid19 amin’ny alalan’ny fampiasana ny « agroécologie » na fambolena maharitra ny tetikasa. Efa-taona ny faharetany (2022-2025). Miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny APDRA, ny GSDM, ny Coeur de forêt ary ny FIFATA. Tantsaha miisa 3000 avy amin’ny faritra Atsinanana, Itasy ary Vakinankaratra no misitraka ny tetikasa. Ho an’ny faritra Itasy manokana dia toerana 10 ao amin’ny tapany andrefana no iasany, toy ny ao kaominina Miarinarivo II (Antanetimboahangy, Igararana…). Marolafy ny sehatra tohanan’ny tetikasa ka ireo tantsaha mampiasa ny sahandriaka no mahazo tombontsoa amin’izany. Manomboka eny an-tampon’ny sahandriaka ka hatrany ambany dia manome tohana ireo tantsaha ny tetikasa ALEFA. Miandraikitra ny fambolen-kazo eny an-tampony  ny Coeur de Forêt ho fiarovana ny sahandriaka tsy ho kaohan’ny riaka sy ho fanatsarana ny loharano. Manome tantsoroka ny tantsaha amin’ny lafiny « agroécologie » na fambolena maharitra kosa ny GSDM ka anisany tohana ara-teknika omeny ny voly rakotra ho famerenana ny tsiron’ny tany sy fanatsarana ny kalitaon’ny tany. Eo ihany koa ny fanajariana ny tany. Misahana ny fandrindrana ny fitantanana ny fikambanana sy  resaka tsena ny FIFATA ary ny APDRA no manome tantsoraka ny tantsaha amin’ny lafiny fiompiana trondro.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *