Socio-eco

TARANJA AGROÉCOLOGIE : Efa mizotra any amin’ny fampidirana azy anaty fandaharam-pibeazana vaovao


Ho ampianarina manerana ny sekoly eto Madagasikara ny « agroécologie » na fambolena maharitra. Io no adisisika ataon’ny GSDM, matihanina amin’ny « agroécologie », efa am-polo taonany, ho fanapariahana ny  fambolena maharitra eto Madagasikara. Manomboka misy vokany izany satria efa mizotra amin’ny fampiatiana izany anaty fandaharam-pibeazana vaovao ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny famolavolana ny fandaharam-pibeazana (DCRP). Faripiadidiam-pampianarana (CISCO) 18 no hanaovana andrana voalohany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny DCRP, nandritra ny atrikasa fanombanana ny zava-bita tamin’ny fampidirana « agroécologie » any an-tsekoly, ao amin’ny faritra Itasy, tetikasa iantsorohan’ny APDRA, miaraka amin’ny GSDM, CÅ“ur de Forêt ary FIFATA. Ny 13 oktobra 2023 tany Miarinarivo no nanatanterahana izany.

Any anaty taranja toy tontolon’ny asa, fanabeazana ho olom-pirenena vanona, jeografia no ampitàna ny fomba fambolena maharitra. Anisany hianarana anaty taranja tontolon’ny asa, ohatra, ny karazana fambolena sy fiompiana maharitra. Ho an’ny kilasy T7, vahaolana ahafahana miatrika fiovan’ny toetrandro no ampitaina amin’izy ireo. Teknikam-pambolena miaro ny tontolo iainana, mampihena ny fampiasana akora simika, mampitombo ny vokatra, iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny « agroécologie ». Ao anatin’ireo teknika ampiasaina ny voly rakotra, famokarana ranon-jezika, kompôsta, fampivadiam-boly, fifampidimbiasam-boly….Sekoly (CEG) miisa 12 tao Vakinankaratra tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPAM sy MANITATRA, 12 tao Boeny tamin’ny alalan’ny  tetikasa Prosol/GIZ no efa nampidirana ny taranja agroécologie. Efa tapitra ireo tetikasa ireo fa vao nanomboka tamin’ny taom-pianarana 2022-2023 kosa ny  ao amin’ny faritra Itasy, amin’ny alalan’ny tetiksa Alefa Agroécologie. CEG 4 (Ambatomanjaka, Igararana, Antanetimboahangy, Mandiavato) no misitraka izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *