Non classé

« Tafio izy »


Hetsika tsy miankina amin-na antokom-pinoana na antoko politika; ary tsy manavaka na iza na iza… Tonga indray ity ny ririnina maro ireo mijaly, mangovitra noho ny hatsiaka eny anivon’ny fiaraha- monina misy antsika eny…Isan-taona ny 21 JONA andeha isika hiara-hientana hanafy azy ireo.
Koa na inona na inona antokom-pinoana misy anao, na ihany koa loko politika misy anao .
« Tafio izy » dia manasa anao handray anjara amin’ny fanafina ireo izay tsy mba afaka ny hividy fitafiana akory amin’izao ririnina izao.
Efa maro ireo maty vokatry ny hatsiaka. Manentana antsika olompirenena tsirairay avy izay mahatsapa fa « izy » dia mitovy amiko ihany ka mety mba hirotsa-dranomaso ihany raha mahita azy mijaly na marary na mety ho faty mihitsy sanatria nohon’ny hatsiaka.
Dieny izao àry dia fanteno izay fitafiana omenao ary fidio izay omenao azy. Vao mainka tsara raha toa ka manana fahefana hividy vaovao ho azy ianao.
Fanampiana ireo olona mila fitafiana eo amin’ny fiaraha-monina iainanantsika ny « Tafio izy »…Tolorantsika fitafiana izy ireo fa mila izany. Aza tia sehoseho isika rehetra fa ataovy am-panetre-tena. Ianao ihany no misafidy ny olona tianao ho tafiana. tsy miandry ny hafa isika.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *