Nitarika ny mpianatra hamboly hazo ny vondrona MASCA Sabotsy Namehana. Teny Ambatobe, fokontany Ambohimanarivo, kaominina Ampaneva ny toerana nanaovana izany ny zoma 3 martsa 2023. Manana sekoly ambaratonga fototra, kolejy, lisea ary oniversite ity vondrona ity. Mpianatra 450 manomboka avy ao amin’ny kolejy ka hatramin’ny ambaratonga ambony no niaraka nifarimbona namboly zanakazo miisa 2000. Karazan-kazo 4 no nambolena toy ny kininina, acacia, frêne ary zacaranda. “Raisinay ho adidy ho an’ny tanindrazana ny fanamaitsoana an’i Madagasikara ho fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro. Raha samy mandray andraikitra ny tsirairay dia ho rakotra maitso i Madagasikara”, hoy i Rakotoson André, Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona MASCA. Fanindimy ity fambolenkazo nataon’ny sekoly ity. « Dimy taona nisesy no namboly hazo ny vondrona MASCA satria raisin’ny ho adidy masina famerenana an’i Madagasikara ho Nosy maitso. Manomboka any amin’ny sehatrin’ny fanabeazana no hitarihana ny tanora ny hamboly hazo sy hanentanana azy ireo ny maha zava- dehibe ny fambolen-kazo », hoy i Haingo Paradis, tomponandraikitra ao amin’ny oniversite HPI/MASCA Sabotsy Namehana. Nahomby ny fambolenkazo nataon’ny sekoly teo satria nanaramaso ny fitomboan’ny hazo izy ireo. Ho fiarovana ireo hazo amin’ny doro-tanety dia hihava ny manodidina ny foto-kazo ny sekoly mba tsy ho may. Tanin’ny sekoly ihany ireo nambolena hazo hatramin’izay. Teraka ny fiarahamiasa tamin’ny FID (Fonds d’intervention pour le Développement) ka misy ampahany amin’ireo tany no nampindramina ireo tantsaha misitraka ny tetikasa Asa Avotra Mirindra. Fambolena no ataon’izy ireo amin’ny tany ho fanampiana asa fiveloman’izy ireo.
Lynda A.
Sary: