Non classé

SECOURS ISLAMIQUE FRANCE : Nihena ny tsy fanjarian-tsakafo nandritra ny volana ramadany


Ampy nanampiana ireo zaza raisin’ireo fikambanana telo mandray an-tànana ny ankizy marefo ny fanampiana nalefan’ireo mpino silamo avy any Frantsa. Nandritra ny volana ramadany, niara-niasa tamin’ny fikambanana eto an-toerana toy an’i AIC, HARDI, MANDA sy fikambanana iraisam-pirenena « Grandir dignement » ny SIF (Secours Islamique France) tao anatin’ny volana jona 2018.

Nampiverina ny ankizy an-dakilasy ny fanomezana azy ireo sakafo ara-pahasalamana. Sakafo atoandro 37.373 nozaraina ho an’ireo zaza marefo miisa 467 sahanin’ireo fikambanana AIC, HARDI sy MANDA ao amin’ny akan’izy ireo. Manampy ny zaza tsy ampy taona voafonja ny fikambanana iraisam-pirenena « Grandir dignement ».SIF 5 Nahazo sakafo ara-pahasalamana ihany koa ireo zaza tsy ampy taona migadra eny Antanimora sy eny amin’ny ivon-toerana misahana ireo ankizy avy nofonjaina ao Mandrosoa manodidina ny 230. Avy amin’ny fikambanana Secours Islamique France (SIF) avokoa izany rehetra izany. “Ampy nanampiana ireo zaza marefo iala amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny fanomezana nomen’ireo mpino silamo any Frantsa. Isaky ny volana ramadany, fomba fanaon’ny mpino silamo ny manampy ny tsy manana”, hoy ny lehiben’ny misiona an’ny SIF eto Madagasikara, Alphonse Kananura.

Nitondra fiovàna

Indray mandeha isan’andro ireo ankizy raisin’ny fikambanana HARDI an-tànana no nisakafo taloha. Nitondra fifaliana ho azy ireo ny tolo-tànana nataon’ny SIF nandritra ny volana ramadany. Araka ny fitantaràn’ny tomponandraikitry ny fikambanana dia nisy tamin’ireo ankizy no sambany vao nihinana trondro “sardine”. SIF 11Ho an’ny fikambanana AIC (Association Internationale Charité) eny Anosizato Andrefana, niverina an-kilasy ireo ankizy nitsoaka an-daharana. “Zara raha misakafo ireo ankizy ireo ka nitarika fahakamoana ho azy ireo izany”. Anisany nisitraka ny fanampiana avy amin’ny SIF ihany koa ireo ankizy mpirenireny teny an-dalam-be taloha sahanin’ny ONG Manda. Ankoatra ny famatsiana legioma, vary, hena, voamaina an’ireo zaza tsy ampy taona voafonja eny Antanimora, nohatsaraina ihany koa ny lakozia misy azy ireo noho ny fiarahamiasan’ny fikambanana “grandir dignement” tamin’ny SIF. Tsy vitan’izany fa mbola novatsian’ny SIF kojakojan-dakozia ihany koa io foto-drafitr’asa nohavaozina io.

Nampiroborobo ny toe-karena

Fianakaviana 1000 mipetraka amin’ny faritra iva eto Antananarivo nozaraina “ticket” ahafahana mividy sakafo izay tian’izy ireo. Olona manodidina ny 5008 avy amin’ny faritra iva telo eto Antananarivo renivohitra no nisitraka izany. Samy nomen’ny SIF “bon d’achat” miisa 36 ny fianakaviana tsirairay tao anatin’ny volan’ny ramadany. Ireo mpisitraka ny tetikasa MILOFO iarahan’ny SIF miasa amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena nanomboka tamin’ny 2016 no mpahazo tombontsoa tamin’izany. “Ho fampihenana ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fanatsarana ny fahazotoan’ny ankizy hianatra no tanjon’ny fanampiana”, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa MILOFO, Lalaina Andriamanirimanasoa.SIF 8 Ankoatra izany, ho fampitomboana ny fidiram-bolan’ny mpivarotra eny amin’ny faritra iva ihany koa no antony nanomezana “bon d’achat” an’ireo fianakaviana 1000. Vokany, manodidina 180 tapitrisa Ariary ny vola niodina nandritra ny volan’ny ramadany tamin’ireo tsena kely 11 niarahan’ny SIF niasa. Tsy adinon’ny SIF ihany koa ny famatsiana ara-tsakafo an’ireo “cantine scolaire” ao amin’ny EPP Ankeniheny, Anosisoa, Ambodihady, Anosivavaka, Antetezanafovoany, Andranomena.
Na dia tapitra aza ny volan’ny ramadany dia nanampy betsaka ny fikambanana AIC, HARDI, MANDA ary “grandir dignement” ny fanampian’ny Secours Islamique France tamin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo nataon’ireo mpino silamo avy any Frantsa. Nilaza ny lehiben’ny misionan’ny SIF, Alphonse Kalanura fa manana tahiry hiantrehana ny volana manaraka ireto fikambanana ireto. Ho ampiasain’izy ireo amin’ny manaraka indray ny enti-manana saika nampiasaina nandritra ny volan’ny ramadany.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *