Socio-eco

RIO TINTO QMM SY FMFP : Manolotra fiofanana momba ireo asa mbola vitsy kanefa betsaka ny orinasa mitady


Natao ho an’ireo tanora sy mpiasa ao amin’ny faritra Anosy. Hitondra fampiroboroboana ny fampananan’asa sy ny fampiofanana arak’asa  ary  fampandrosoana ara-toekarena  sy sosialy ao amin’ny  faritra Anosy  ny fandaharan’asa iarahan’ny Rio Tinto QMM sy ny Tahirim-bola ho an’ny fampiofanana arak’asa (FMFP). Taorin’ny  famolavolana ny tetikasa ho  fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa sy ny fandraharahana  ao amin’ny faritra dia nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 21 aprily 2023 tao Fort-Dauphin izany.  Miompana amin’ny fampiofanana momba  ireo asa mbola vitsy ny olona mahafehy azy kanefa betsaka ny orinasa mitady azy  na ireo asa vaovao ary fampiofanana mitohy ho an’ny mpiasan’ireo orinasa miara-miasa amin’ny QMM ny sahan’asa roa voalohany amin’ity fandaharan’asa ity. Ho fampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny tanora sy ny mpiasa eny ifotony amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana amin’ny sehatry ny indostria, «asa maitso», ny toekarena manga sy ny nomerika no tanjon’ny tetikasa. Ho fanatanterahana ny sahan’asa voalohany dia hanome fiofanana  miompana amin’ny teknolojia, toekarena, famatsiam-bola sy ny maha olona ho an’ireo  tanora ao amin’ny faritra Anosy ny QMM. Nosafidiana manokana sy natao ho laharam-pamehana ireo karazam-piofanana ho tombontsoa ho an’ny tanora sy ny orinasa.  Mampiavaka ity sahan’asa ity ihany koa ny fampifandraisana ny fiofanana teknika sy ny fampiharana avy hatrany ny asa noho ny fanohanan’ireo orinasa miara-miasa amin’ny QMM. Vonona handray sy hampiofana ary hitari-dalana ireo mpiofana izy ireo.

Famatsiam-bola ho an’ny  fampiofanana ireo mpiasan’ny orinasa miara-miasa amin’ny QMM ny sahan’asa  faharoa amin’ity  fandaharan’asa ity. Noho ny fanampian’ny FMFP dia hihatsara ny fahaiza-manaon’ny mpiasa. « Faly izahay manohana ity fandaharan’asa mitondra aingavao  ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa ao amin’ireo orinasa miara-miasa amin’ny QMM. Ohatra mivaingana manaporofo ny fandraisana andraikitray amin’ny fampiroboroboana ny kalitaon’ny fampiofanana arak’asa sy fampandrosoana ny toekaren’ny faritra sy ny firenena ny fiarahamiasa amin’ny QMM. Tsy andrinay ny ahita ireo vokatsoa aterak’izany », hoy i Ramaroson Jean-Michel, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny FMFP nandritra ny fandraisam-pitenenany. Natolotra nandritra ny  lanonana fampahafantarana ny tetikasa ny famatsiam-bola ho an’ireo orinasa  sy fanamarihana ny fiatombohan’ny tetikasa fananganana orinasa. «Mankasitraka ny governemanta Malagasy, ny FMFP ary ny mpiara-miasa rehetra amin’ny fandaharan’asa noho ireo ezaka ataon’izy ireo amin’ny fanamafisana ny talenta eto amin’ny firenena. Faly ihany koa izahay afaka mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa izay andry lehibe amin’ny vinan’ny QMM amin’ny famelana lova maharitra sy fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany amin’ny fomba mahaleo tena. Resy lahatra izahay fa hanampy ny faritra Anosy hanana olona mamaly ny filanan’ny tsenan’ny asa ankehitriny sy ny fampandrosoana ny faritra ireo fampiofanana omena», hoy i David-Alexandre Tremblay, Tale Jeneralin’ny Rio Tinto QMM. Tsara ho fantatra fa eo ambany fiahin’ny Ministry ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa, Rahantanirina  Vavitsara Gabriella sy fanohanan’ny  ministera maromaro ity fandaharan’asa ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *