Socio-eco

RIO TINTO QMM : Nampitomboina ny vola ampiasaina ho fitantanana ny rano


Famatsiam-bola mitentina 13 tapitrisa dolara fanampiny no natolotry ny orinasa Rio Tinto QMM ho fanatsarana tsy an-kiato ny tetikasa fitantanana ny rano ampiasain’ny orinasa ao amin’ny toeram-pitrandrahana. Antsoina hoe RRR na « Rainy Season Release Readiness » izany tetikasa izany ary anisan’ireo famatsiam-bola goavana indrindra nosahanin’ny orinasa hatramin’ny nanombohan’ny tetikasa. Io famatsiam-bola fanampiny io dia hifantoka amin’ny asa fanitarana ny sampana fitantanana ny rano izay efa misy ao an-toerana ankehitriny. Raha 450 hatramin’ny 600 m3 isan’ora no habetsahan’ny rano azon’ity farany karakaraina, dia vinavinaina ho manodidina ny 1 500 hatramin’ny 2 000 m3 izany amin’ny ho avy. « Ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny QMM mahakasika fitantanana ny rano izay miompana amin’ny famerana ireo mety ho voka-dratsy eo amin’ny tontolo manodidina farak’izay kely indrindra sy ny fiantohana ny kalitaon’ny rano mivoaka mba hifanaraka amin’ny fenitra rehetra », hoy i Paul Kluge, talen’ny sampandraharaha ara-teknika momban’ny harena ankibon’ny tany. Arak’izany dia dingana vaovao indray no tanteraky ny orinasa QMM amin’ny fanatsarana ny paikadiny. Miompana amin’ny fitantanana amin’ny fomba mahomby sy maharitra ny rano ao anatiny sy ivelan’ny toeram-pitrandrahana. Ity paikady ity dia novolavolaina mifanaraka amin’ireo didy amam-pitsipika manan-kery sy ny fanomezan-danja manokana ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fiantohana ny kalitaon’ny rano mba hifanaraka amin’ny fenitra takiana. « Ny kalitaon’ny rano izay ampiasainay dia asidra ara-voajanahary (pH entre 3 et 5, io no toetry ny tany mando ao Mandena). Ny fenitra ara-dalàna nefa dia eo anelanelan’ny 6 sy 9. Ho fanarenana izany dia nanapa-kevitra ny hanangana ny tetikasa RRR izahay. Tanjona amin’izany ny hanitsiana ny kalitaon’ny rano mba hifanaraka amin’ny fepetra takian’ny lalàna ”hoy i Ravo Rakotoarimanana, lehiben’ny sampana zeoteknika sy ny rano. Io paikady io dia mijery ihany koa ireo toetoetra manokana an’i Madagasikara sy ireo mety ho fiantrakan’ny fiovan’ny toetr’andro eto amin’ny Nosy, anisan’izany ny rotsak’orana be, amin’ny alàlan’ny fanarahamaso akaiky ireo toeram-pitahirizan-drano eo anivon’ny toeram-pitrandrahana.

Amin’ny alàlan’ity sampana fikarakarana rano vaovao ity, izay tsy mitaky fampiasana akora simika, ny Rio Tinto QMM dia manamafy ny ezaka rehetra mba hamolavolana vahaolana vaovao sy mikajy ny tontolo manodidina izay antoky ny fampandrosoana maharitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Nangon’i Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *