Socio-eco

RAVINALA AIRPORTS : Tanora marobe manodidina ny seranam-piaramanidina Antananarivo no afaka hanohy ny fianarany eny amin’ny oniversite


Miara-miasa amin’ny fandaharan’asa SESAME ny Ravinala Airports ho fanamafisana ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana. Fandaharan’asa natao hanohanana ireo tanora malagasy, mazoto mianatra, avy eny amin’ny fiarahamonina miaina ao anaty fahasahiranana, hanohy ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony ka hatrany amin’ny fampidirana azy amin’ny sehatry ny asa ny SESAME. Tanora marobe mipetraka manodidina ny seranam-piaramanidina Antananarivo (Ivato) no afaka misitraka ny tetikasa noho io fiarahamiasa miaraka amin’ny Ravinala Airports io. Mandritra 3 taona dia hanome tantsoroka ahafahana manatantareka ny asa nofinofisin’izy ireo ny tetikasa. Amin’ny maha mpiara-miasa ny Ravinala Airports dia hanampy amin’ny lafiny ara-pitaovana sy arak’olona ny orinasa ka hanolotra manam-pahaizana avy ao aminy ary hamela ireo mpianatra hanao fanazaran’asa ao aminy orinasa.

Ho fanamorana ny fanatanterahana ny tetikasa, hisy manam-pahaizana hanoro ireo mpianatra, hitari-dalana azy ireo sy hanentana azy ireo momba ny fahaiza-manao amin’ny tontolon’ny fiaramanidina na sehatr’asa hafa mahaliana azy ireo. « Faly izahay fa miara-miasa amin’ny fandaharan’asa SESAME sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tanora malagasy. Manantena izahay fa hampitsiry hevitra sy hamporisika ny mpianatra hanohy nofinofiny sy hahatanteraka ny asa nofinofisiny, maninona moa raha amin’ny sehatrin’ny fiaramanidina, ny fizaranay ny fahaiza-manao sy ny traikefa hanananay», hoy i Julien Coffinier, Tale Jeneralin’ny Ravinala Airports. Nilaza ihany koa i  Cyril Guillem, Tale mpitantana ny fikambanana PROMES sy ny fandaharan’asa SESAME  fa faly tokoa sy mankasitraka ny fiatombohan’ny fiarahamiasa amin’ny Ravinala Airports. «  Noho fandraisan’andraikitra ataon’ny orinasa dia afaka mifandray amin’ireo matihanina sy maka traikefa ahafahana mamantatra bebe koa ny sehatry ny asa sy ny orinasa ny tanoran’ny SESAME. Vokatr’izany, afaka miroso amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa amin’ny fomba mahomby sy manatanteraka ny tetikasa tiany atao amin’ny  fiainana izy ireo », hoy izy. Nanamafy ny Talen’ny PROMES fa tena ilaina ny fampiroboroboana ny SESAME eto Madagasikara  mba  hampivoarana ny fahaiza-manaon’ny tanora sy ahafahan’izy ireo mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *