Socio-eco

PAPA FRANSOA TETO MADAGASIKARA: Mifanohitra amin’ny fihavanana ny fanavakavahana


Mafonja sy mampieritreritra ny hafatra nentin’ny Ray Masina Fransoa nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpitondra fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny diplomaty nandritra ny “ceremony   building” teny Iavoloha, ny sabotsy 7 septambra 2019. Nampatsiahy izy fa fitaovana fototra hampiroboroboana ny maha olom-pirenena sy ny tetikasa ho an’ny maha olona ny politika. Mazava ho azy hoy ity filoham-panjakana ao “Vatican” ity fa ny asa sy ny andraikitra ara-politika dia lokan’ady maharitra ho an’ireo manana iraka, hiasa sy hiaro ny mpiray tanindrazana aminy, singanina manokana ireo marefo, hanamora  ny fepetra  entina mankany amin’ny fampandrosoana mendrika sy mahitsy izay mampandray anjara ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena.Papa Fransoa 20190907 2 Nambarany ihany koa fa ilaina ny fanekena fa miantoka ny fampandrosoana ny fanampiana  avy any ivelany ary mampisokatra an’i Madagasikara amin’ny firenena manodidina azy. Mety hitarika any amin’ny fironana any amin’ny “kolontsaina iraisana” izay hanimba ny harem-bakoka ny firenena tsirairay anefa izany fisokafana izany, hoy izy. Ankoatra izany, “raha manaja ny fomba fiainan’ny razambe, sy mihevitra ny zavatra ilain’ny olom-pirenena isika dia tsy ny fanampian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany no hampandroso ny firenena; ny vahoaka ihany no handray an-tanana ny momba azy, lasa izy ihany no mamolavola ny vintany.

Mamporisika antsika hiady mafy amin’ny endrika kolikoly rehetra, mampitombo ny fahasamihafana ara-piarahamonina, mampitombo fahantrana  lalina i Papa Fransoa. Papa Fransoa 20190907 1“Tsy afaka miresaka fampandrosoana tena izy isika raha tsy mikaroka ny fomba hiarovana ny zava-boahary fa eo ihany koa ny fitadiavana vahaolana mahomby izay mihevitra ny fifampiankianan’ny zava-boahary sy ny rafi-piarahamonina satria tsy misy afa-tsy  roa ny krizy: tontolo iainana sy ny sosialy”. Resy lahatra ny lehiben’ny eglizy katolika fa manan-karena  zava-maniry sy biby i Madagasikara. Tandidomin-doza vokatry ny fandripahana ala ho an’ny tombontsoa an’olombitsy, fanondranana antsokosoko anefa izany. Noho izany, zava-dehibe ny famoronan’asa sy sahan’asa mampidi-bola ho an’ireo mivelona amin’ny zava-boahary mba hiarovana ireo sisa tavela, araka ny soso-kevitrany. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny fihainoana ny fiarahamonim-pirenena, ny fanohanana ny asan’izy ireo mba hisian’ny rindran-damina eto amin’ny firenena.

Vonona hatrany  hifanankalo hevitra amin’ireo Kristianina avy amin’ireo antokom-pivavahana isan-karazany sy ny mpiantsehatra rehetra eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena ny eglizy katolika. Amin’ny alalan’ny firahalahiana tena izy, izay manome lanja ny fihavanana no hanatanterahana izany mba hanamorana ny fampandrosoana ny maha olona mba tsy hisy olona na dia iray aza voahilikilika.

Lynda A.


One comment on “PAPA FRANSOA TETO MADAGASIKARA: Mifanohitra amin’ny fihavanana ny fanavakavahana

  1. Pingback: PAPA FRANSOA TETO MADAGASIKARA: Mifanohitra amin’ny fihavanana ny fanavakavahana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *