Socio-eco

ORANGE SUMMER CHALLENGE 2023: Nandrombaka ny loka voalohany ny tetikasa manampy ny olona jamba hampiasa ny fitaovana ao an-tokantrano


Fandaharan’asa hanomezana fiofanana, mandritra ny telovolana, ho an’ireo mpianatra misehatra amin’ny fikirakirana ny teknolojia (développement web et mobile, UX/UI design, ingénieur électronique, design industriel, intelligence artificielle, communication, marketing, finance, …) mba ahafahana mamorona tetikasa misy fiantraikany mivantana amin’ny fiarahamonina ny Orange Summer Challenge. Mpianatra 700 no nisoratra anarana tamin’ny andiany faharoa. 24 tamin’izy ireo no voasafidy hahazo ny tohana ara-teknika sy fahaiza-manao  avy amin’ny Orange sy ny Google  ary EY. Nozaraina ekipa efatra (04) izy ireo, ahitana mpianatra enina (06) isaky ny ekipa. Nandritra ny telovolona, samy namorona tetikasa miompana amin’ny lohahevitra hoe:  “intelligence artificelle sy ny internet, fitaovana afahafana miatrika ny ampitso” ny ekipa tsirairay. Niaro sy nandresy lahatra ny tetikasany avy,  teo anoloan’ ireo mpisehatra ara-toekarena, tomponandraiki-panjakana sy tomponandraikitra eny anivony ny fampianarana izy ireo nandritra ny lanonana lehibe nokarakaraina ny 13 oktobra 2023 teny amin’ny Orange Digital Center (ODC) Ankorondrano.  Afaka misafidy eo no eo  izay tetikasa mendrika indrindra ireo mpanatrika tamin’ny alalan’ny “application”  natokana hifidianana. Fantatra tamin’io fotoana io ny tetikasa  nahazo ny laharana volaohany, faharoa, fahatelo ary fahaefatra.

 Norombahan’ny tetikasa  BrAI ny loka voalohany : vola mitentina 6.000.000 Ariary,  flybox miisa 6, connexion wifiber discovery miisa 6 mandritra ny heritaona ary  tohana hampiroboroboana  ny tetikasa mandritra ny heritaona ao amin’ny Orange Fab. Fitaovana iray entina handikana ireo lahatsoratra nataon’ny olona manana fahasembanana ara-pahitana sy manampy ireo olona jamba hahay hampiasa ireo fitaovana ao an-tokantrano ity tetikasa ity. Lasan’ny tetikasa InstaDox ny loka faharoa- vola mitentina 3.000.000 Ariary,  tablettes 6, Be connect  12 Go miisa 6 ampiasaina mandritra ny enim-bolana ary fiofanana karazany 4 ao amin’ny ODC isaky ny olona na ekipa.  Famoronana fitaovana mandeha ho azy (distributeur Automatique) afaka manome  antontan-taratasim-panjakana eny amin’ny fokontany ny votoatiny ny tetikasa. Natolotra ny VolyVolt, tetikasa mamokatra angovo amin’ny alalan’ny « piles microbiennes” avy amin’ny zavamaniry ny loka fahatelo .  Smartphones 6, Be connect 12 Go miisa 6 mandritra ny enim-bolana sy karazana fiofanana 2 ao amin’ny ODC ho an’olona tsirairay na ekipa no azon’izy enina mianadahy tompon’ny tetikasa. Dominos miisa 6, Be connect 12 Go  miisa 6 mandritra ny enim-bolana sy karazana fiofanana miisa 2 ao amin’ny ODC, ho an’olona tsirairay na ekipa ny loka fahaefatra. Ny tetikasa TanyLab, fitaovana mandeha ho azy (robot mobile) mampiasa ny teknolojia AI, afaka manangona sy manome antontan-kevitra momba ny toe-tany no nahazo izany. Ankoatra fifaninanana eto an-toerana dia mampiavaka ny Orange Summer Challenge 2023 ny fisafidianana  tetikasa mitondra aingavao  handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ho  an’i Afrika sy Moyen-Orient.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *