Socio-eco

ORANGE MONEY : Nidina ny saran’ny fakana vola


Noho ny fahasahiranana ara-toekarena dia nanapa-kevitra ny Orange Money Madagascar fa hampidina hatramin’ny 30% ny saran’ny fakana vola amin’ny orange money  nanomboka ny 01 aogositra 2022. Nahatsapa izy ireo fa fitaovana mahomby amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny fampiasana ny orange money. Nanomboka nisian’ny valan’aretina covid dia nampitombo ny fampiasam-bolany ny orange money Madagascar sy ny cash point hanomezana fahafaha-po ireo mpanjifa. Noho izany dia nisy fampandrosoana ny tamba-jotran’ny “cash point”, ahafahan’ny tsirairay manao fandrotsahana na fakana vola akaiky ny tranony. Nisokatra ihany koa ny fandefasana na fandraisana vola any ivelany. Mpiaramiasa amin’izany ny Orange Money Europe, Taptap Send, et Worldremit. Eo ihany koa ny fifandraisan’ny orange money sy ireo banky toy ny Baobab Banque, Société Générale, ACEP afahana mandrotsaka vola sy maka izany. Nisy ihany koa ny Fanombohana ny tolotra findramam-bola vaovao 60 andro, MBaobab, hanomanana tetikasa sy hiatrehana ny lozam-pifamoivoizana. Ny Tahiry Be, fametrahana tahiry ahazoana taha-jana-bola 5,5 isan-jato. Ary farany ny fisian’ny application mobile Android et iOS ahafahana miditra amin’ny tolotra isan-karazany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *