Socio-eco

MPIASAN’NY ORANGE MADAGASCAR: Nanolon-tena hanentana ireo ankizy momba ny fiovan’ny toetrandro


Anisany voka-dratsy ateraky ny fiovan’ny toetrandro ny tsy fisian’ny rano, ny kere, ny tondran-drano. Vokatry ny asan’ny olombelona ihany anefa izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny doro tanety, ny etona mangeja hafanana avoakan’ny indostria. Nandritra ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tontolo iainana dia nanentana ireo ankizy eny anivon’ny sekoly momba ny fiovan’ny toetrandro, ny antony sy ny fiantraikan’izany ary ny fihetsika tokony iatrehana izany ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange Madagascar. Ny 5 ka hatramin’ny 14 jona 2024,  mpiasa 200 no hanao fanentanana momba ny ady atao amin’ny fiovan’ny toetrandro, manerana ny sekolim-panjakana 20 eto Madagasikara. Mikarakara fifaninanana sary mitondra ny lohahevitra hoe : « Fiakaran’ny hafananan’ny tany : antony sy vahaolana », ho an’ireo sekoly voakasik’izany ihany koa ny Orange. Ao anatin’ny hetsika entin’ny orinasa hanohanana ireo tetikasa eny ifotony ho fanamafisana ny fifandraisana eny anivon’ny fiarahamonina sy fiarovana ny tontolo iainana izy ity. Ho an’ny teto Antananarivo dia teny amin’ny CEG Ambohidratrimo no nanaovan’ny mpiasan’ny Orange fanentanana momba ny fiovan’ny toetrandro. Miisa 40 izy ireo no nanatanteraka izany ny 5 jona 2024. « Tsapa fa manerana an’izao tontolo izao dia misy ny fiovan’ny toetrandro. Madagasikara dia anisany mizaka ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro. Isika olombelona no mahatonga izany. Ny fanentanana natao androany dia fampahafantarana ny ankizy ny fiovan’ny toetrandro, ny antony mahatonga izany, manao ahoana ny fisehony sy ny fihetsika tokony atao. Inona no tokony ataon’ny ankizy eny anivon’ny tokantrano, fiarahamonina mba hampihenana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro », hoy i Rakotonomenjanahary Lalao, Lehiben’ny tetikasa RSE ao amin’ny Orange. Nomena fitaovana ihany koa ireo mpianatra mba ahafahan’izy ireo manentana ny manodidina azy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa « Orange Engage for Change » ity hetsika fanentanana ity. Napetraky ny Orange Middle East and Africa (OMEA)  sy Orange Madagascar ny tetikasa mba hanaovana asa mivaingana hampihenana ny fiantraikan’ny  orinasa amin’ny tontolo iainana. Manome alalana ny mpiasa hanokana telo andro isan-taona ho an’ny tetikasa misy fiantraikany ara-tsosialy ny fandaharan’asa « Orange Engage for Change ». Manana tranokala ihany koa ny fandaharan’asa mba ahafahana mampahafantatra, mizara ireo tetikasa ho an’ny fiarahamonina. Afaka tsidihin’ny mpiasan’ny Orange rehetra te hilatsaka an-tsitrapo na ho an’ny daholobe te hahafantatra bebe kokoa ny andraikitra sahanin’ny vondron’orinasa momba ny tontolo iainana ny tranokala engageforchange.orange.com.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *