Socio-eco

MPANAO GAZETY HO AN’NY FARITRA AROVANA: Rakotomiarintsoa Nirina, iray amin’ireo 6 mianadahy nahazo tohana ara-bola avy amin’ny FAPBM


Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 29 septambra 2023 teny Ampasanimalo ny anaran’ireo mpanao gazety voasafidy hahazo ny tohana ara-bola hanaovana fanadihadiana momba ny faritra arovana. Ny Fondation pour les Aires Protégées  et la Biodiversité de Madagascar  (FAPBM) no mikarakara ity fifaninanana « mpanao gazety ho an’ny faritra arovana » ity. Miara-miasa amin’ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira vaovao momba ny tontolo iainana (AJE) , ny fandaharan’asa VARUNA. 14 ny mpanao gazety nandefa ny antontan-taratasy. Enina (06) mianadahy no nosafidian’ny mpitsara hahazo izany. Mizara telo ny sokajy misy ireo mpanao gazety: miasa amin’ny onjam-peo, televeziona ary  gazety an-tsoratra. Anisan’ireo mendrika indrindra tamin’ny sokajy gazety an-tsoratra i Rakotomiarintsoa Nirina, mpanao gazety eto amin’ny www.deliremadagascar.com. Mitentina 3.000.000 ariary ny tohana nomen’ny FAPBM ho an’ny fanadihadiana tsirairay.

Misy amin’ireo faritra arovana eto Madagasikara no ahitana vokatra tsara ny fiarovana azy saingy takona na tsy misy mahita ny ezaka ataon’ireo mpisehatra amin’izany.  “Ny vokatra tsara amin’ny fiarovana ny faritra arovana Bemanevika, faritra Sofia” no lohahevitra hanaovan’i Rakotomiarintsoa Nirina fanadihadiana. “Ho an’ny faritra arovana Bemanevika manokana dia nahitam-bokany ny ezaka ataon’ireo vondron’olona ifotony (VOI), ny mpitantana ny faritra  arovana ary ireo misehatra voakasik’izany. Nihena ny doro-tanety ary tsy misy intsony ny fanapahana tsy ara-dalàna ny ala. Resy lahatra amin’ny maha zava-dehibe amin’ny fiarovana ireo zavaboahary ny mponina”, hoy izy manazava ny antony nisafidianany ny faritra arovana Bemanevika. Natao hampafantarana misimisy kokoa ny faritra arovana eto Madagasikara, indrindra ireo toerana saron-dalana, ny ezaka ataon’ireo mpisehatra miaro azy ireny no tena tanjon’ny fanomezana tohana ho an’ny mpanao gazety. “Misy mahery fo, manao ny ainy tsy ho zavatra ambadiky ny fiarovana ireny zavaboahary eto amintsika ireny. Mendrika hampahafantarina ny besinimaro izany”, hoy i Liva Alain Raharijaona, Tale Mpanatanteraky ny FAPBM. Nambarany fa anisany manampy amin’ny fiarovana ny zavaboahary ny haino aman-jery ka hitohy hatrany ny fanohanana ireo mpanao gazety.

Ireto izy 5 ankoatra an’ny mpanao gazety eto amin’ny Délire Madagascar:

Gazety an-tsoratra:

Njaka: Faritra arovana Maromizaha: miaro ny natiora, manova toetsaina

Onjam-peo

Clovice: Faritra manokana ao Marotandrano sy lafiny aratsosialy

Nathali: Ny maha zavadehibe ny fiarovana ny zavaboahary anaty ranomasina ao amin’ny Nosy Tanikely »

Televiziona

Anicet: Ny fiarahamitantana ny faritra arovana

Jean Claude: Niova fo ireo mpamotika ala

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *